You are here

Vaovao

 

Fenofeno ihany moa ny fandaharam-potoanan’Andriamatoa ministry ny Raharahambahiny, Naina Andriantsitohaina, satria ankoatran’ny fandinihana ny hanamafisana ny Fiaraha-miasan’i Italia sy Madagasikara izay isan'ny tena anton-diany,  dia ao koa ireo  fivoriana hoatrehany toy ny ao amin’ny IFAD/FIDA (sampana iray an’ny Firenena Mikambana misahana ny fampiroboroboana ny fambolena), ao amin'ny WFP/PAM (sampana ao amin'ny Firenena Mikambana miady amin'ny hanoanana eran-tany), ny fandraisany anjara amin’ny valandresaka iarahan’ny Ministeran’ny Raharahambahinin’i Italia sy ny “Italia Africa Business Week”, sehatra iray ampivondronana ireo mpandraharaha ara-toekarena afrikana sy italianina.

Kanefa dia isaorana azy feno ny mbola niezahany nanokana takariva iray nihaonana sy nitafatafana tamin’ny zanak’i Madagasikara am-pielezana atý Italie izay notontosaina tamin’ny harivan’ny sabotsy 8 jiona teo, tao amin’ny foiben’ny masoivoho eto Roma.

Ankoatra ny filazalazany ny momba ny raharaham-pirenentsika dia nihaino sy nampanantena ny hijery akaiky ihany koa izy momba ireo fangatahana vitsivitsy nataontsika zanaka am-pielezana.

  • Momba ny pasipaoro dia nilaza izy fa efa anaty ezaka ho ataon’ny fanjakana ny hamatsiana ilay fitaovana fanamboarana izany ho an’ny toerana maro, ka anisan’izany ny eto Italia. Mandrapahatonga izany dia hodinihana akaiky ireo tranga maika sy manahirana.
  • Ho an’ny mpianatra dia nangatahana tao ny hanofanana ireo mpiasa any Madagasikara manao ny taratasy ahafahana mianatra atý Italia satria dia maro no sahirana amin’ny fahazoana ilay taratasy fanampiny ilaina (suppléments des dossiers) fa tsy hain’ny any an-toerana akory ilay izy.
  • Olana iray nivoitra tao koa ny momba ireo miasa amin’ny sambo MSC ka niangaviana ny fanjakana mba hojereny akaiky satria somary tsy manara-dalàna ireo mpiandraikitra any Madagasikara ka mandefa olona hafa amin'ny toeran'izay efa neken’ny orinasa atý Italia. Izany anefa dia mety hanisy olana sy hanimba ny fiaraha-miasa.
  • Ho an’ireo Fikambanana isan-tsokajiny indray dia misokatra ho azy ireo ny varavaran’ny Ministera amin’ny fiaraha-miasa, sy ho an’ireo Malagasy te hody hitondra ny anjara birikiny amin'ny fampivoarana ny tanindrazana, toy ny fananganana orinasa, ny fambolena, sns.

Misaotra ireo Zoky Raiamandreny ao amin’ny Masoivoho - andriamatoa Mpiandraiki-draharaha, Suzelin Ratohiarijaona, sy ireo mpiara miasa aminy akaiky - nanao izay nahatontosana iny fihaonana iny satria faniriana ihany ny an’andriamatoa ministra ny hihaona amintsika fa raha tsy teo izy ireo nanentana niantso antsika dia ho nihafihafy tatý amin’ny sisiny ihany isika.

Dia mandra-pihaona amin’ny Asaramanitra daholo indray o !

 

 

Vitsivitsy ihany ny sary milahatra noho olana kely eo amin'ny lafiny teknika amin'ny tranonkalantsika, fa soa misy ireo mba ho fahatsiarovana kely fotsiny. Azo jerena ato : Fihaonana tamin’ny Ministra

 

 

 

Tonga ity ilay andro lehibe izay nandrasantsika dia ny fankalazana ny fetim-pirenentsika malagasy izay ho atao ao amin'ny Via delle Industrie, 17 - Settala (MI). 
Ho atolotray tsy ho ela ny fandaharampotoanan`io andro io. 

Aza misalasala ary ianareo satria misy fetrany ny tapakila ary mifarana amin'ny 15 jiona ny famandrihan-toerana.
Tongava maro fa miandry anareo izahay.

 

Gianni & Lala.

 

 

Ho antsika tapaka sy namana rehetra,
Hafaliana ho anay Malagasy atý amin'ny faritra avaratr'i Italie no manasa antsika rehetra hiaraka  hankalazana aminay ny faha-59 taona ny
nahazoantsika ny fahaleovantena.
Tongava maro, miandry anareo izahay.

Soeur Françoise.

 

 

Manasa antsika indray mba handray anjara amin'ny "Maratona di Roma 5km" amin'ny alahady 7 aprily 2019. 
Afaka mihazakazaka na koa mitsangatsangana. Ny adidy sy fanatahanjantena ho vita, ny fahafinaretana ho azo
Ny vola azo amin'ny vidin'ny tapakila dia alefa manontolo any Madagasikara hatrany. 
Mankasitraka sahady.

Fanazavana fanampiny sy fisoratana anarana dia any amin'i Andry Rakotomavo :
- mailaka : andry@tetezanaonlus.org 
- finday : +39 3471432921

 

 

Hanomboka amin'ny 26 febroary ka hatramin'ny 3 martsa 2019 dia hisy varotra-fampirantiana saripika, sangan'asan'i Patrizia Schifano eto Roma ka hanasana antsika rehetra hitsidika izany.

"Salama Vazaha, benvenuto ricco straniero" no lohahevitr'izy ity, maneho ny fahitan'ny Malagasy ireo vahiny/vazaha izay miezaka ny te hahalala azy ireo amin'ny alalan'ny fakana sary.

Ny vola azo amin'izany dia hatolotra ny Fikambanana Mondobimbi Onlus ho entiny mikarakara ny tetikasa "Villagio Afaka" any atsimon'ny Nosy izay misahana ny fanabeazana sy fampianarana ankizy miisa 230.

Toerana : "Gelateria Equosolidale Splash, via Eurialo 101 - Roma (Metro A - Furio Camillo na Colli Albani).

 

 

 

 

 

 

Araka ny anarany dia miezaka ho tetezana mampifandray an'i Madagasikara sy Italia ny fikambanana Tetezana Onlus. Ny fanabeazana moa no tena ifantohan'ny fikambanana ka ankoatra ny fandraisana an-tànana ny fandefasana an-tsekoly sy fanaraha-maso akaiky ireo ankizy any Madagasikara - izay tsy tontosa raha tsy teo ny fanampianareo rehetra malala-tànana avy aty dilam-bato - dia ezaka atao ihany koa ny mampahafantatra an'i Madagasikara amin' ireo zaza atý Italia. Efa natomboka taona vitsivitsy lasa izay ny hetsika fitetezana sekoly ary mbola tohizana ankehitriny.

Ka tamin'ity volana febroary ity dia ny sekoly ambaratonga faharoa fototra "M. Fioravanti" sy ny sekoly fanabeazana fototra "Istituto Comprensivo" sy "Lorena Alessandro" eto Roma (faritra La Rustica) no notsidihana. Ny fiteny malagasy vitsivitsy, ny foto-tsakafo, ny kilalao, ny fianaran'ireo zaza malagasy no noresahana betsaka nandritra izany izay tsapa fa nanintona ireo ankizy tokoa ka nandray anjara tanteraka tamin'ny resadresaka izy ireo.

Am-pitiavana hatrany no hanohizana izany ka raha misy manam-piniavana handray azy ireo ny sekolin'ny zanantsika, indrindra ny eto Roma sy ny manodidina, dia aza misalasala mifandray mivantana amin'ny mpiandraikitra :

Andry Rakotomavo :
- mailaka : andry@tetezanaonlus.org 
- finday : +39 3471432921

 

Sary vitsivitsy dia voatahiry ato : Fitetezana sekoly

 

 

 

Vita soa tamin'ny alahady 10 febroary teo ny fety fifampiarahabana amin'izao taona vaovao 2019 izao ka indro ampitaina amintsika eto ny fisaorana avy amin'Andriamatoa Mpiandraiki-draharaha sy ny Mpiara-miasa rehetra eto amin'ny Masoivoho, ho an'ny malagasy mpiray Tanindrazana, na ny teto Roma sy ny manodidina na ianareo avy any amin'ny faritany nahafoy fotoana sy harena tonga nanome voninahitra izany fanasana izany.

 

Ny sary sy horonana tamin'izany dia azonao jerena : ATO.

 

 

Ity izany ny  hafatra nampitain'i Sr Françoise, isan'ny manentana ny Malagasy any amin'ny faritr'i Reggio-Emilia any. Ka dia manantena fa ho maro ianareo no hifanotrona amin'io asabotsy 26 janoary io.

Mba hahamora ny fikarakarana dia fiaraha-misakafo any amin'ny Pizzeria no hatao rehefa vita ny Sorona Masina sy ny dinidiniky ny mpianakavy ka amin'izay samy mba manefa ny laniny ny tsirairay dia tsy ho betsaka ny fotoana lany (hevitra mety yes ) - Efa ireo anaty fanasana ireo avokoa ny laharana finday ho an'izay mila fanazavana fanampiny.

Dia mirary soa ho an'ny taona 2019 ho antsika rehetra koa izahay !

 

Noho izao fahatongavan'ny Taona vaovao 2019 izao, hono tompoko, dia indro ny Fiarahabana sy Firariantsoa ho an'ny  Malagasy rehetra monina eto Italia.

 

 

 

 

Tontosa omaly ny fandraisan'ny Kardinaly Désiré Tsarahazana ny paroasy notendren'ny Ray Masina ho azy dia ny eglizin'i San Gregorio Barbarigo eto Roma. Ny fanendrena azy ho tompon'io paroasy io dia fanamafisana ny maha-mpiara miasa akaiky azy amin'ny Papa fa tsy hoe mijanona eto Roma hiasa izy akory, araka ny ahiahin'ny maro  mahita ity vaovao ity. Kardinalin'i Madagasikara miasa tanteraka any an-tanindrazana izy.

Hafaliana ho anay olon-tsotra ny nanatrika azy ity satria ankoatra ny fanotronona ny kardinalintsika dia mba nahaizana ny fomba amam-panao amin’ny fotoana toa izao ihany koa. Ny fananan'ireo kardinaly vaovao paroasy iray eto Roma manko dia manamafy ny fifamatorany amin'ny Papa, evekan'i Roma, izany hoe ireo kardinaly mpiara-miasa aminy akaiky dia manana andraikitra ao amin'ny diosezin'i Roma izay iadidiany.

Rehefa niainga avy tany amin’ny sakristia niaraka tamin’ny tompon-draharaha manokana avy amin’ny Vatican (cerimoniere papale) ny kardinaly dia noraisin’ny pretra tompom-paritra teo am-baravarana izay nanolotra azy ny lakroa, norohany ho mari-panajana. Taorian’izay dia niditra namafy rano voahasina ireo kristianina izy ary nifarana tamin’ny fitsofan-drano ny lasapely sy fitsaohana ny Sakramenta Masina.

Vita izany rehetra izany dia natomboka ny Sorona Masina lehibe. Fa nialoha ny nihainoana ny tenin’Andriamanitra dia novakiana am-pahibemaso tamin’ny kristianina ilay atao hoe “Bolla pontificia”, ilay taratasy nanendren’ny Ray Masina azy ho kardinaly sy manambara fa io kardinaly io no tompon’ilay paroasy.

Nandritra ny toriteniny, izay nataony tamin’ny teny frantsay fa nadikan’i  mompera Alain tamin’ny teny italianina, dia notsarovan'i kardinaly ny tanindrazantsika :

Da cinque giorni, il popolo malgascio è andato alle votazioni per eleggere il suo presidente. Siamo nell’attesa del risultato finale di questa elezione. Vi chiedo di pregare affinché il nostro futuro presidente giunga a dare la gioia ai malgasci, cioè a cambiare la condizione di vita delle persone. Nonostante le ricchezze che ci sono in Madagascar, siamo uno dei paesi fra i più poveri del mondo. Il nuovo presidente arrivi a vincere la tentazione del male affinché possa vivere la sua fede cristiana. I candidati in competizione sono tutti e due cristiani”.

Mivavaha ho anay, hoy izy, fa eto am-piandrasana ny valim-pifidianana izahay izao. Mba hahay handresy ny fakampanahin’ny ratsy anie izay lany ho filoha hitantana ny Firenenay mba hahafahany mampanjaka ny finoana maha-kristianina azy satria samy kristianina izy roa mpifaninana.

Rehefa nifarana ny fotoam-pivavahana dia nankany amin’ny sakristia ny kardinaly sy ireo pretra nanotrona novakian'ny Tompon-draharaha avy amin'ny Vatican indray  ny "Bolla di assegnazione del Titolo al cardinale", taratasy fanamarinana ny maha-tompon-toerana azy ary nanao sonia izany ny kardinaly sy ireo pretra rehetra tao vao namonjy ny kristianina tao amin’ny efitra nanaovana fialana hetaheta izy ireo. Niarahaba azy tonga soa ao amin’ny paroasy ny tompon-trano, nankasitraka tamin’ny fandraisana ny kardinaly ary nisaotra ihany koa ny Malagasy  tonga nanotrona azy.

Nahafinaritra sady nafana tokoa ny fandraisan'ireo paroasianina azy/anay tao. Mirary soa ho azy hatrany isika fa tsy mora ny adidy napetraka eo an-tsorony.

 

Ireo sary rehetra dia efa milahatra ato amin'ny tahirintsary toy ny mahazatra : Kardinaly teny amin'ny paroasy San Gregorio Barbarigo

 

 

 

 

Ny Fikambanana Tetezana Onlus dia faly manasa ny Malagasy rehetra amin'ny sakafom-pihavanana izay hatao ny zoma  21 desambra amin'ny 6 ora sy sasany hariva ao amin'ny paroasin'i San Stanislao, viale Rolando Vignali 15 (zona Tuscolana/Cinecittà).

Ny vola azo amin'izany dia entiny manampy hatrany ireo zaza sahirana sahanin'ny fikambanana any Madagasikara.
Manantena ny fandraisantsika anjara tompoko.

Misaotra.

www.tetezanaonlus.org
www.tetezanamada.org  

 

 

Indro ampitaina ny fisaorana atolotra ny Malagasy rehetra, indrindra ireo izay tonga maro nanotrona ny fankalazana ny fetim-pirenena notontosaina tamin'ny alahady voalohan'ny volana Jolay lasa teo.

Mankasitraka Tompoko.

 

AMBASSADE DE MADAGASCAR
ROME- ITALIE

 

 

Ny sary sy horonana dia efa milahatra ato amin'ny tahirintsary : FETIMPIRENENA 2018 

 

 

Heni-karavoana ny kristianina malagasy tamin'iny faran'ny herinandro nanendren'ny Papa Ray Masina ny kardinaly vaovao ho an'i Madagasikara iny. Tsy latsa-danja ny hafaliana ho an'ireo izay afaka niaina izany mivantana teto Roma, tsy ny katolika irery ihany fa rehefa Malagasy. Tonga avy amin'ny vazan-tany efatra izy ireo hanotrona, hanatrika izany. Tsy mahalavi-tany ny fitiavana ka na ny 10.000 km mahery manasaraka an'i Roma sy ny tanindrazana aza dia nosidinana.

Fenofeno erý ny fo ny alakamisy 28 jiona 2018 raha nandroso teo anoloan'ny Papa Fransoà i Mgr Désiré Tsarahazana, arsevekan'i Toamasina, 63 taona, nandohalika ka nandray ny Peratra, ny Satroka mena ary ny Taratasy fanamarinana izay manambara  ny maha-Kardinaly azy :

  • ny Peratra, misy sarin'ny Hazo Fijaliana dia midika Fiombonan'ny kardinaly amin'ny Papa Ray Masina sy fampatsiahivana azy haka tahaka an'i Kristy izay nanolotra ny ainy ho an'ny Eglizy.
  • ny Satroka Mena, manambara fa manomboka eo dia tafiditra tanteraka anatin'ny "Collège des Cardinaux" izy.
  • ny Taratasy Fanamarinana dia ilay taratasy misy tombo-kasen'ny Papa manambara ny nanendrena azy ho kardinaly sy manondro ny Paroasy iray izay horaisiny eto Roma. Io Paroasy io no antsoina hoe "Titre Cardinalice". Ny fananan'ireo kardinaly vaovao paroasy iray eto Roma manko dia manamafy ny fifamatorany amin'ny Papa, evekan'i Roma. Izany hoe ireo kardinaly mpiara-miasa aminy akaiky dia manana andraikitra ao amin'ny diosezin'i Roma izay iadidiany.

Taorian'io fotoan-dehibe io dia nizotra nankao amin'ny "Efitra Paolo VI" ny rehetra nandray tànana, niarahaba sy nanolotra fahatsiarovana azy ihany koa. Somebika tsisy toa izany tao tamin'ny fakana sary fahatsiarovana, ny firedonana hira firavoravoana. Talentantsika malagasy rahateo io... totorebi-kafaliana !

Ny ampitso zoma 29 jiona, izay andro tsy fiasana eto Roma satria fankalazana ny Martirin'i Md Piera sy Paoly, Olomasina mpiahy an'i Roma, dia niaraka nanolotra Sorona Masina lehibe tamin'ny Papa Fransoa teo amin'ny Kianjan'i Md Piera ireo kardinaly vaovao. Ary dia mbola nahofahofa tao koa ny faneva maromaro fotsy-mena-maitso an'i Madagasikara.

Vita izay dia nananika ny havoanan'ny Gianicolo daholo namonjy ny sakafom-pianakaviana efa nomanin'ny Ankohonana katolika eto Roma teny amin'ny paroasin-drizareo Masera Trinitera avy any Valence. Fety tsotra fa feno fitiavana toa an'i Kardinaly Tsarahazana ihany.

Satria dia tena tsotra sy feno fitiavana tokoa izy ka na ny olana vitsivitsy nosedraina teny am-pikarakarana teny aza dia toa nivaha mora daholo ka nahatonga anay niaiky fa tena moraina i Zoky. Izay rahateo no efa nahalalanay azy  hatramizay satria fony vao nanomboka ny taona voalohany niofanany ho pretra izy no efa zokibenay tao an-trano niaraka tamin'ilay zokiko lahimatoa pretra iray andiany taminy. Niaraka teny foana izy mirahalahy tamin'ny dingana rehetra nolalovana. Ary tsy izy mirahalahy irery ihany fa maro mianadahy izahay no "notezain'i mama" tao an-trano tao tamin'ireny fotoana ireny, tsy nanavaka finoana na firehana hafa fa zanany daholo.

Ary dia izay no naverinay telo mianadahy afaka nanotrona azy tamin'ity fotoana ity - i zoky Pasteur Emmanuel Tehindrazanarivelo tonga avy tany Madagasikara sy i zandry Gisèle avy any Paris ary izaho. Nifanaraka izahay fa hitotorebika toy ny fanaonay fahizany, hahatsiaro ireny fotoana mamy ireny, 35 taona mahery lasa izay - amin'ny anaran' ireo tsy eo intsony sy amin'ny anaran'ireo tsy afaka hiaraka aminay mivantana : Koezy Tompoko Zanahary !

Tsy hay ny tsy hisaotra izay rehetra nahatanteraka iny fotoana iny. Tsy misy ny tomombana zato isan-jato fa nahafaly izay vitanareo izay. Mankasitraka mankatelina,
ary indrindra misaotra zoky Dezy fa  araka ny tenin'i zoky Kiki izay hoe : "nahazo kardinaly ny fiangonana katolika, nahazo kardinaly i Madagasikara fa izahay mbola manana Dezy."

Ireo sary dia azo jerena ato : Consistoire 2018.

Rondro Volantsoa

 

 

 

 

 

Manasa antsika ny alahady 17 jiona ho avy izao amin'ny fotoam-bavaka sy famelabelaran-kevitra izay tarihin'Andriamatoa Mamy Rakotolehibe mivady, Tale Nasionaly ny Fikambanana Mpiara-mamaky ny Baiboly, izay hatao ao amin'ny fiangonana protestanta, via IV novembre 107, manomboka amin'ny 2 ora sy sasany tolakandro.

Mialoha ny fotoana anefa dia hisy ny fiaraha-misakafo izay efa fanaon'ny fiangonana, ka manomboka amin'ny 12 ora sy sasany antoandro izany, ka samia mitondra sakafo ifampizarana.

Dia manantena ny fahatongavantsika rehetra, ary entanina koa isika mba hanasa ny namantsika malagasy hafa.

 

 

Efa nambara sy noresahana ombieny ombieny moa fa amin'ny faran'ny volana jiona ity no hampiantso ny "Fivorian'ny Kardinaly" i Papa Fransoa, hanendreny kardinaly vaovao miisa 14 ho mpiara-miasa aminy akaiky ka anisan'izany i Mgr Désiré Tsarahazana, arsevekan'i Toamasina sady Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka any Madagasikara. 

Izy izany no kardinaly malagasy fahaefatra, mandimby ny toeran'i Kardinaly Armand Gaëtan Razafindratandra izay nodimandry tamin'ny volana janoary 2010.

Am-pifaliana lehibe noho izany no hanentanana antsika hanotrona io fanendrena azy io izay ho indroa miantoana :

- ny alakamisy 28 jiona amin'ny 4 ora tolakandro dia hatao ao amin'ny bazilikan'i Md Piera ny "Concistoro Ordinario Pubblico" ka amin'io no hanoloran'ny Ray Masina azy ireo ny "peratra", ny "barette", ilay satroka mena ary ny Taratasy fanamarinana ny maha-kardinaly. Aorian'izay dia misy ny fotoana "handraisan-tanana sy hiarahabana" ny kardinaly vaovao ao amin'ny Aula Paolo VI manomboka amin'ny 6 ora  hariva ka hatramin'ny 8 ora alina.
Azon'ny rehetra atrehana ireo arak'izany saingy mila misoratra anarana any amin'ny Aumônier mba hahazoana ny tapakila fidirana.

- ny zoma  29 jiona kosa amin'ny 9 ora sy sasany maraina dia hisy ny Sorona Masina lehibe hametrahana an-tsoroky ny arseveka vaovao ny "pallium". Hotarihin'ny Ray Masina io fotoana io ary hotronin'ireo kardinaly vaovao izy amin'izany. Aorian'izay dia hirohotra hiara-paly amin'ny Kardinaly Désiré Tsarahazana eny Monteverde Vecchio isika (fa tsy ao amin'ny foiben'ny Masoivoho intsony araka ny voalaza teo aloha) : eny amin'ny Parrocchia Regina Pacis - via Maurizio Quadrio, 21 .
Mila misoratra anarana hatrany any amin'ny Aumônier satria samihafa ny tapakila fidirana amin'ireo andro roa ireo. 

Ny fifandraisana  amin'i aumônier momba ny fisoratana anarana :
P. Athanase Rafanoharantsoa, sj :
Mailaka :  jatharaf@gmail.com
Tel : 06679 4560-620 
Cell : 3479651101

Aza hadino ny fitafy mampiavaka antsika Malagasy​ sy ny sainam-pirenena.
Ireo izay manahy tsy hahatratra ny fidirana maraina be eny amin'ny Vatican dia afaka miandry any amin'ny masoivoho avy hatrany, handray tànana sy hiarahaba azy ary hiara-paly aminy.
Raha misy fanampim-baovao azonay dia tsy hadino ny mampita izany eto. Ilazao izay tsy mba afaka mahita ity hafatra ity satria andro lehibe, tsy ho an'ny Eglizy malagasy fotsiny ihany fa ho an'i Madagasikara ihany koa, io andro io. 

Mialoha ny fankalazana amin'ny fomba ofisialy ny Fetin'ny Fahaleovantena ao amin'ny foiben'ny Masoivoho dia asaina ihany koa isika amin'ny tsinjaka bevata izay hatao ny 23 jiona 2018 ho avy izao eny Fonte Nuova (Nomentana) - Roma. Io amin'ny peta-drindrina avokoa ny fanazavana momba izany.

Ilazao izay tsy mbola nahare !

 

 

 

 

Ny Mpiandraiki-draharahan'ny Masoivohon'i Madagasikara sy ny Mpiara-miasa aminy dia faly manasa antsika rehetra mba ho tonga handray anjara aminy fankalazana ny fetim-pirenena izay ho atao amin'ny alahady 01 joaly 2018, manomboka aminy 4 ora tolakandro, ao amin'ny masoivoho, Via Riccardo Zandonai, 84/A, Roma.

Hantenaina sy ho raisina an-kafaliana ny fandraisan'ny tsirairay anjara amin'izany fetintsika izany, ary mankasitraka mialoha.

 

 

 

 

Amin'ny alahady 1 jolay 2018 ho avy izao, amin'ny 6 ora sy sasany hariva, dia manasa antsika am-pitiavana i mompera  Angelo Buccarello, OssT, hiaraka hisaotra an'Andriamanitra amin'ny fankalazany ny faha-50 taona naha-mpisoron'ny Avo azy ao amin'ny eglizy San Rocco, Piazza Padre Trinitari - Gagliano del Capo (Lecce).

Isaorana sahady ireo ho avy hanotrona any an-toerana ary ireo tsy ho afaka kosa dia antenaina sy iriana hitrotro am-bavaka ity andro lehibe ho azy ity.

Izahay telo mianadahy mpiandraikitra ny takelaka koa dia miombona aminy am-po sy am-panahy amin'io andro io ary mirary azy hombam-pahasalamana hatrany hanatontosany an-tsakany sy an-davany ny fiasana ny Sahan'ny Tompo ho amin'ny 50 taona manaraka, sy mihoatra aza raha sitraky ny Ray.

Mirary soa Zoky o !

 

 

Toy ny isan-taona dia amin'ny 12 mey 2018 ho avy io no ho tontosaina any Torino ny "Andro natokana ho an'i Madagasikara - Giornata del Madagascar" - izay hiresahana indrindra indrindra momba ny zavaboary sy ny loza mitatao azy ao Madagasikara, ny mponina sy ny  fivoarany ihany koa. Izany hoe Andro natokana hanomezana lanja ny siansa sy ny fomban-drazana.

Ao anatin'ny fandaharam-potoana izay tarihin'i Franco Andreone dia hisy valan-dresaka ho ataon'i Federicco Pezzota mitondra ny lohahevitra  "Avventure mineralogiche del Madagascar", ny  fampahafantarana ny boky nosoratan'i Riccardo Bononi, "Une belle vie, une belle mort", fijerena sarimihetsika, fampiharana fahaiza-mahandro iarahana amin'ny Fikambanana Malagasy Miray (Ma.Mi) ary faranana amin'ny seho sehatra ataon'i Olga del Madagascar avy ao Torino sy Aka Zizi avy any Suisse.

Koa ao amin'ny Casa del Quartieri Mirafiori Sud, via Modesti Panetti 1, izany ny fotoana amin'ny asabotsy 12 mey manomboka amin'ny 4 ora tolakandro ka hatramin'ny 11 ora alina.

 

Noho ny fitahian'Andriamanitra dia tanteraka soa aman-tsara ny fitsidihan'ny Mpanompovavin'Andriamanitra Marthe Hervée sy Tiana Fanantenana teto Roma ny 12 ka hatramin'ny 16 aprily teo .

Tao anatin'ny fandaharam-potoanany tamin'izany ny namangy ny olona tsy salama sy ireo fianakaviana nangetaheta ny hihaona taminy izy ireo mba hiaraka hivavaka tany an-tokantrano ny andron'ny zoma. Ny Sabotsy kosa dia natokana ho an'ny fampianarana ny fotoana ka tao amin'ny fiangonana protestanta valdezy etsy amin'ny Via IV Novembre no nanaovana izany. Ary mbola tao ihany koa no no niarahana tamin'izy mianaka  ny alahady, izay natomboka tamin'ny fiaraha-misakafo antoandro aloha ary notohizana tamin'ny fotoam-pivavahana ny tolakandro.

Nahafinaritra tokoa ny fihaonana toy izao fa sady nahazo hery ny vatana no nahazo aim-panahy ny mpino. Eto dia manasa sahady ireo izay te hiara-mivavaka amin'ny fiangonana protestanta amin'ny teny malagasy fa ny fihaonana manaraka dia ny alahady 20 may 2018  ao amin'ny fiangonana mahazatra hatrany.  

Ireo sary tamin'izany dia azo jerena ato amin'ny : TAHIRINTSARY

 

 

 

Takelaka