Ianareo ao Milan sy ny manodidina dia asaina am-pitiavana hiara-hifaly sy hankalaza ny fetin'ny fahaleovatenan'ny Madagasikara ny sabotsy 23 jiona manomboka amin'ny 8 ora sy sasany alina, ao amin'ny via delle Industrie 17, Settala (MI).
Izay mila fanazavana fanampiny na hanao famandrihan-toerana dia afaka manoratra amin'ity laharana finday ity : 327 0024229.
Tongava maro dia ilazao ny rehetra !
Tontosa soa aman-tsara omaly 15 aprily 2018 ny fanandratana ho Olontsambatra an'i Ramose Lucien Botovasoa tany Vohipeno. Niray fo sy fanahy tamin'ny olona an'arivony maro tany Vohipeno ihany koa ny Malagasy maneran-tany ary isan'ny nanana adidy lehibe nisolo tena an'i Madagasikara teny amin'ny Vatican isika atý Italia.
Ravoravo erý ny tena nahita ireo Malagasy avy amin'ny lafivalon'i Italia nihoby ny Papa Ray Masina teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Piera nandritra ny Regina Caeli (Angelus amin'ny fotoanan'ny Paka) raha nambarany am-pahibemaso ny fankatoavany ny fahamasinam-piainan'i Ramose Botovasoa. Nihohafoha avo ny faneva fotsy-mena-maitso, ny sarin'i Ramose sy ireo lambaoany maro loko. Nahoraka ny fisaorana an'i Papa Fransoa noho izany fahasoavana izany.
Misaotra anareo rehetra nanatrika teny fa hita taratra ary tafita tamin'ireo tsy mba afaka tonga ny hafalian-dehibe noraisinareo. Tsongaina eto ary isaorana azy betsaka ny fizarana nataon'i Sr Sylvie raha vao tafaverina avy teny izy : "Vavaka farany nataon'i Ramose Lucien Botovasoa ny hoe 'Enga anie ny rako latsaka amin’ny tany, ho fanavotana ny tanindrazako'. Nasehony hatrany fa ny fankahalana dia valiana Fitiavana, ny ratsy valiana amin'ny tsara, ny mamono valiana amin'ny fijoroana amin'ny Finoana. Mampianatra ahy hatanjaka sy ho sahy izy mba hanasoavana ny hafa. Tena ilain'izao tontolo izao ny Finoana mafy be nananany ka isaorako an'Andriamanitra ny fananana azy ho faka-tahaka".
Mankasitraka feno anareo rehetra nikarakara nahatomombana iny andro lehibe iny, ary misaotra ihany koa ireo nizara ny sary rehetra izay efa milahatra ato amin'ny : TAHIRINTSARY.
Eo am-piatrehana ny fivoriana fanaony isan-taona ny Fikambanana Mais Onlus ka amin'ny alahady 15 aprily dia hanao dinidinika filazana ireo asa vita tany Madagasikara izy ireo eny amin'ny foiben'ny masoivoho eto Roma, via Riccardo Zandonai 84. Anisan'ny hanatontosa izany ao koa Andriamatoa Jean- Francois Ratsimbazafy izay mpitantana ny asa any an-toerana .
Ao aorian'izany dia hisy ny fiaraha-misakafo ho fanohanana ny tetikasa "Fattoria biologica" zay sahanin'ny fikambanana any Madagasikara manomboka amin'ny 1 ora sy sasany antoandro ka izay maniry handray anjara dia iangaviana hanao famandrihana sahady amin'ny
Manao fitsidihana manerana an'i Eoropa ny Mpanompovavin'Andriamanitra Marthe Hervée sy Tiana Fanantenana ao amin'ny "Radio Vaovao Mahasoa" ka anatin'ny fandaharam-potoanany ny hitsidika eto Roma.
Koa amin'ny sabotsy 14 aprily manomboka amin'ny 4 ora tolakandro dia hisy fampianarana, famelabelarana, fifanakalozana, fametrahana fanontaniana hiarahana amin'izy ireo ao amin'ny Fiangonana protestanta eto Roma, via IV novembre, 107
Ny alahady 15 aprily amin'ny 2 ora sy sasany tolakandro kosa dia hisy fiaraha-mivavaka ao amin'ny via IV Novembre ihany.
Koa satria efa fanao mahazatra ny fiangonana ny fiaraha-misakafo isaky ny alahady fahatelon'ny volana ka dia afaka mitondra sakafo izany amin'io. Hatomboka amin'ny 12 ora antoandro ny fifampizarana ny masaka dia aorian'izay ny fotoam-bavaka.
Ho an' izay te hanaraka ny fampianarana sy fampaherezana ataon 'izy ireo amin'izao diany aty ivelany izao dia ireto misy rohy ahafahana manaraka izany :
Efa naroso tamintsika teto ihany moa fa amin'ny alahady 15 aprily izao no hasandratra ho Olontsambatra any Vohipeno i Ramose Lucien Botovasoa, mpampianatra, kristianina lahika malagasy. Hiombona amin’ireo any an-tanindrazana ny atý Italia amin'io andro io ka hifamotoana eny amin'ny Bazilikan'i Md Piera eto Roma arak'ity fandaharam-potoana ity :
Hanomboka amin'ny 10 ora tsy diso ny Sorona Masina izay sady isaorana an'Andriamanitra noho ity andro lehibe ho an'ny Eglizy katolika malagasy ity no hanandratana vavaka ho an'ny Firenena ihany koa eo am-pahatsiarovana ireo martirin'ny 29 martsa 1947, satria isan'izy ireny tokoa i Ramose Botovasoa.
Mila tonga alohaloha eny an-toerana noho izany satria tsy misy tapa-kila manokana fa miaraka miditra amin'ny mpitsidika rehetra, ka ao amin'ny Cappella Ungherese avy hatrany ny fotoana. Fanoroana fohifohy : rehefa miditra ao amin'ny bazilika dia tazony ny ankavia fa mila mamonjy ilay tohatra akaikin'ny sakristia mitondra antsika midina any amin'ny Fasan'ny Papa. Mizotra hatreny amin'ny fasan'ny Papa Paoly VI Olontsambatra ary eo ankaviany eo no misy ilay lasapely.
Aorian'ny lamesa dia hamonjy ny kianjan'i Md Piera daholo indray amin'ny mitataovovonana, miaraka amin'ny sainam-pirenena malagasy (samia mitondra izay manana), hanatrika ny "Regina Caeli"-n'ny Papa satria amin'io no hilazany ampahibemaso ho ren'izao tontolo izao fa nasandratana amin'ny toeran'ny Olontsambatra i Ramose Botovasoa ity.
Rehefa vita izay dia hisy ny fifampizarana hafaliana sy sakafo ao amin'ny "Sala Arrupe" ao amin'ny via dei Penitenzieri 20 (akaikin'ny eglizy Borgo Santo Spirito) manomboka amin'ny 1 ora antoandro ka hatramin'ny 3 ora sy sasany tolakandro eo ho eo.
Hafaliana ho an'ny Malagasy any amin'ny tapany avaratr'i Italia ny manasa antsika namana rehetra hiara-paly amin'izy ireo amin'ny Fankalazana ny Fetim-pirenena izay ho tanterahina ny alahady 10 jiona 2018 ao Villa Bagno (RE) araka ity fanasana ity.
Voalohany tokoa amin'ny tantara no nandray anjara tamin'ity Fifaninanana fanao ao Frantsa ity isika avy aty Italia, ary dia tsy nitsanga-menatra tokoa fa dia medaly telo be izao no azon’ireo maherifontsika teo amin’ny taranja lomano.
- Medaly Volamena sy Volafotsy kosa no lasan'i Lorenzo Ratsimananda tamin'ny sokajy "Pirina".
Miarahaba sy mankasitraka azy mianadahy kely tsy nampitsanga-menatra antsika fa nanandratra avo ny Malagasy aty Italia ary nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fandraisana anjara amin’ny Fifaninanana ara-panatanjahatena toy ireny. Pimaso manokana ho an'i Harena tsy nandrak'ilo an-doha na dia nifaninana niaraka tamin'ny lehibe noho izy aza fa tsy tanatin'ny sokajy "Avenir" sahaza ny taonany.
Isaorana ny zoky Raiamandreny ao amin'ny Masoivoho tamin'ny famporisihana, ny fikarakarana ary ny fanotronana hatrany an-toerana. Izy ireo koa dia maneho fisaorana manokana ny Komity Mpanatanteraka ny RNS 2018 tamin’ny fandraisana sy ny fikarakarana rehetra nandritra ny fivahinian’ireo solontena tany Lyon, Frantsa.
Araka ny efa voalaza, hoy izy ireo, dia santatra am-bava-rano ihany iny fa ny manetsa be mbola ho avy. Noho izany dia efa manentana antsika rehetra hiomana amin’ny andiany manaraka.
Isan'ny vaovao mahafinaritra ka zaraina amintsika eto ity fa sambany handray anjara amin'ny "Rencontre Sportive Nationale" (RNS) izay fanao isan-taona ao France isika Malagasy eto Italia. Ao Lyon no hanatanterahana azy amin'ity taona ity, manomboka ny sabotsy 31 martsa ka hatramin'ny alatsinain'ny Paka, 2 aprily 2018.
Hanainga afaka andro vitsivitsy hamonjy io fihaonambe ara-panatanjahantena io arak' izany ny delegasiona tarihin'ny tompon'andraikitra ao amin'ny masoivoho, miaraka amin'ny ny atleta hisolo tena antsika eo amin'ny taranja lomano.
Tena santatra am-bavarano tokoa ity noho ny fahafohezan'ny fotoana nanomanana azy ka izao aloha izany dia ny lomano ihany no hahitana antsika fa ny tanjona dia ny handraisantsika anjara amin'ny taranja hafa amin'ny taona manaraka.
Ary satria hay fa maromaro ihany isika no mamonjy azy ity isan-taona, indrindra ianareo any avarabaratra any, ka dia ao amin'ny Gymnase Benjamin Delessert, 40 rue Gerland (69007 Lyon) izany mifankahita ny alahady 1 aprily manomboka amin'ny 10 ora sy sasany e !
Tongava maro hanohana ny solontenansika (mivoha amin'ny 10 ora ny vavahady).
Araka ny vaovao efa natsidiky ny takelaka sy tambazotra sosialy maromaro efa am-bolana vitsivitsy izay dia ny alahady 15 aprily 2018 no hatao any Vohipeno, Diosezin'i Farafangana ny fanambarana ampahibemaso ny maha-Olontsambatra an'i Ramose Lucien Botovasoa.
Nandalo teto Roma ary nisaotra an'Andriamanitra niaraka tamin'ny Papa Ray Masina noho izany fahasoavana izany i Mgr Benjamin Ramaroson, arsevekan'Antsiranana, ny talata 27 febroary teo, ary nahafinaritra fa mbola tafahaona tamin'ny kristianina vitsivitsy tratr'antso teto Roma ihany koa izy ny takarivan'ny alarobia 28 febroary tao amin'ny efitrano fandraisantsika vahiny, ny Sala Pozzo etsy amin'ny via Sant'Ignazio.
Efa miomankomana fatratra ny faritra atsimo-atsinanana, indrindra fa vao nahazo eveka vaovao satria i Mgr Gaetano Di Pierro, evekan'i Moramanga teo aloha, no notendren'i Papa François tamin'ny 3 martsa 2018 teo hiadidy ny diosezin'i Farafangana.
Fiomanana ara-panahy indrindra indrindra, miezaka miaina ireo "Hatsaram-panahy" niainan-dramose dia ny Finoana, Fanantenana, Fitiavana, Fahamarinana, Fahamalinana, Fahononana, Faherezana. Olon'ny Fihavanana, tia ny zavaboahary ary nizara Hafaliana hatrany izy.
Efa misy ny pejy natokan'ireo mpikarakara hahafahana manaraka tsy tapaka ny fanomanana sy ny fandaharam-potoana rehetra amin'izany : Olontsambatra Ramose Lucien Botovasoa
Hisy fiatahana masina (laretirety) karakaraina ho an'ny Malagasy rehetra manerana an'i Italie, na pretra na relijiozy na lahika, eny Pietravolta (Modena), ny 11 ka hatramin'ny 20 jiona ho avy izao. Izany hoe herinandro ao anaty vavaka sy fahanginana tanteraka hotarihin'ny aumônier nasionaly, P. Athanase Rafanoharantsoa.
Tsy misy fiomanana goavana amin'ny ara-pitaovana fa samy manao izay hahatongavany eny an-toerana ny tsirairay na ny vondrona maniry ho avy. Samy mitondra ny lambam-pandriana sy ny kojakojam-pidiovany avy ny isam-batan'olona. Any an-tendrombohitra ny toerana ka tsara ihany koa miomana amin'ny fitafy mafanafana fa mangatsiatsiaka ny hariva sy ny maraina.
Ny sakafo dia atolotry ny masera eny an-toerana fa dia isika izany no samy mijery izay fantatsika sy zakantsika ho fandraisana anjara.
Izay manam-pikasana ho avy dia afaka mangataka misoratra anarana amin'i Sr françoise, farafahatarany ny volana Marsa mba hahafahana mampahafantatra mialoha an-dry Masera Casa della Carità hampiantrano antsika. Izy ihany koa no ifandraisantsika raha mila fanazavana fanampiny. Dia mba iangaviana isika hampita ny hafatra amin'ireo namana hafa.
Sr Françoise, Franciscaine de l'Immaculée de Palagano (Modena) : - tel : +39 333 894 1338
- mail : francoisesfip@gmail.com
Am-pifaliana tokoa no isaorana anareo rehetra namaly ny fanasana nataon'ireo zoky Raiamandreny ka tonga teny amin'ny foiben'ny masoivohontsika omaly alahady 11 febroary nifanakalo firariantsoa etý am-piandohan'ny taona 2018. Tsy latsa-danja koa ny fankasitrahana ireo naniry ny ho avy saingy tsy afaka noho ny fotoam-bita nifanindry, ny sampona tsy azo nialana, ankoatra ny famerana ny fifamoivoizana tao afovoan-tanàna ho fitsinjovana ny rivotra iainana izay somary nampanano sarotra ny fihetsehana.
Nahafinaritra izy tao, ny ankizy nifalihavanja tany an-tokotany toy ny mahazatra rehefa tafahaona - indrindra fa zava-dehibe izany ho an'ireo zaza malagasy natsangana izay ezahan'ireo ray aman-dreniny ampihaonina hatrany amin'ny fotoana hifamotoanan'ny Malagasy toa izao mba tsy hanalavirana azy amin'ny fiaviany. Ny lehibe niala voly tokoa : sady nihinana no nitotorebika. Sitraka sy telina tamin'izay nentinareo nifampizaràna, ny nofon-kena mitam-pihavanana sy ny fialana hetaheta niboiboika natolotry ny mpanasa tsy azo odian-tsy hita, ny hafanampon'ny mpanafana lanonana manginy fotsiny - toy ny mahazatra. Onera be daholo na ny lany na ny hasasarana.
Natomboka tamin'ny kabary nataon' andriamatoa mpiandraiki-draharaha, Suzelin Ratohiarijaona, ny fotoana. Nitondra ny teny firariantsoa tao koa isika zanaka am-pielezana. Ankoatr'izany dia isan'ny noresahana tamin'ny teny fohifohy ny akon'ny "Forum de la Diaspora" izay natao tany Madagasikara tamin'ny volana oktobra lasa teo iny, fa mbola ho alefa amintsika rehetra ihany ny tatitra an-taratasy hodinihan'ny tsirairay avy. Ary farany dia veloma indrindra hono ho antsika rehetra hoy ramatoa Helinoro Tianamahefa, mpiandraiki-draharaha teo aloha sy andriamatoa Mahitsy Ravoniandro, izay samy handao an'i Roma fa voatendry amin'ny andraikitra hafa.
Faly sy afapo ny rehetra nikarakara fa dia izao ro no mandavà tokoa. Mirary soa ho an'ny rehetra e !
Araka ity fanasana ampitaina eto ambony ity, dia fifaliana ho an'ireo mpiara-miasa ao amin'ny masoivoho malagasy eto Roma ny hihaona amintsika zanak'i Madagasikara am-pielezana atý Italia mba hifanakalo ny firariantsoa amin'izao taona vaovao tratrantsika izao, satria tsy mba afaka nitsena azy niaraka isika tamin'ity indray mitoraka ity. Tsy isika malagasy irery anefa no asaina amin'izany fa ireo namana vahiny mpifanerasera sy mpiara-miombon'antoka amintsika ihany koa.
Amin'ny alahady 11 febroary ho avy izao, manomboka amin'ny 1 ora antoandro ny fotoana eny amin'ny foiben'ny Masoivoho eto Roma, via Riccardo Zandonai 84.
Ary satria anatin'ny fotoanan'ny "carnaval" io andro io ka dia afaka misalotra fanamiana sy manova endrika avokoa na ny ankizy na ny lehibe fa hilalao tokoa isika, toy ny efa nataontsika indray taona izay (jereo ATO). Rehefa maro manko ny mandray anjara dia mainka mahafinaritra ny fiarahana ka manentana e, indrindra isika lehibe.
Toy ny mahazatra dia mba samia mivimbina izay voarambin'ny tanàna isika hifampizarantsika am-pirahalahiana, indrindra ny zava-pisotro, fa rizareo Zoky Raiamandreny kosa dia hanolotra ny nofon-kena mitam-pihavanana izay ho atonontsika.
Somary efa antomotra ny fotoana ka ampitampitao dia manantena hifanatri-tava tsy ho ela izany.
Tarika Ndriana Ramamonjy handalo eto Roma - Italia Anatin'ny fankalazana ny faha 30 taona niderana an'Andriamanitra an-kira Ny alahady 4 juin 2017 amin'ny 5 sy sasany tolakandro
Fratelli del Sacro Cuore Centro Fratel Polycarpo Via dell'Imbrecciato, 112a 00149 , ROMA - ITALIA
Ny vola azo dia hanonerana ny lany rehetra tamin'ny fikarakarana indrindra ny saran-dalana mandroso miverina Roma ary ny ambiny dia atolotra ho an'ny Tarika hanohanana azy amin'ny fitoriana ny Tenin'Andriamanitra @ fitetezana an'i Eoropa
Amin'ny alahady 14 mey ho avy izao ny fankalazana ny "Festa dei Popoli" any Brescia, izay hatao ao amin'ny Pala Brescia, via San Zeno 168.
Asaina isika rehetra, na ny monina ao amin'ny faritra manodidina na ireo sendra mandalo na maniry hanao faran'ny herinandro any. Tongava mitsidika ny trano hevan' i Madagasikara fa miandry anareo ao i Lydie ary i Françoise sy ny zanany kosa no handray anjara amin'ny hira sy dihy malagasy mandritra ny sakafo.
Ilazao ny hafa raha sendra tsy nahare ny vaovao e !
Ho antsika any Arezzo sy ny manodidina indray ity.
Miendrika fifaninana hampandraisana anjara ny zaza sy ankizy - ampian'ny ray aman-dreny na tsia - hanamboatra "biscotti" any an-trano ka io no entiny ao amin'ny ny sabotsy 25 martsa ho avy izao hanomboka amin'ny 3 ora tolakandro ao amin'ny Fraternità dei Laici, Piazza Vassari, Arezzo. Samy afaka manandrana ny vokatra ny mpanatrika fa ny fifidianana ny hahazo ny loka 5 voalohany kosa dia amin'ny alalan'ny fividianana "scheda" 5 euro.
Manana mpandray anjara i Madagasikara ka raha afaka manohana azy telo mianadahy kely isika dia afaka manararaotra manao bemidina kely any Arezzo amin'io fotoana io. Ny adidy sy ny fitsangatsangana sy ny fihaonana amin'ny mpiray tanindrazana ho vita, ny fahafinaretana ho azo. Raha maromaro moa isika no ho tonga sy handray anjara amin'ny fifidianana dia mety mba hanam-bintana hibata ny loka izy telo dahy ary indrindra mety mba hiseho fahitalavitra araka ny fanazavana ato amin'ny takelaka : "Un biscotto per l'Africa".