You are here

Medaly telo no norombahan'ny izy mianadahy kely solontenantsika tany amin'ny RNS 2018.

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 02/04/2018 - 14:13

 

 

Voalohany tokoa amin'ny tantara no nandray anjara tamin'ity Fifaninanana fanao ao Frantsa ity isika avy aty Italia, ary dia tsy nitsanga-menatra tokoa fa dia medaly telo be izao no azon’ireo maherifontsika teo amin’ny taranja lomano.

- Medaly Alimo norombahan'i Harena Ratsimananda nifaninana tamin'ny sokajy "Jeunes".

- Medaly Volamena sy Volafotsy kosa no lasan'i Lorenzo Ratsimananda tamin'ny  sokajy "Pirina".

Miarahaba sy mankasitraka azy mianadahy kely tsy nampitsanga-menatra antsika fa nanandratra avo ny Malagasy aty Italia ary nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fandraisana anjara amin’ny Fifaninanana ara-panatanjahatena toy ireny. Pimaso manokana ho an'i Harena tsy nandrak'ilo an-doha na dia nifaninana niaraka tamin'ny lehibe noho izy aza fa tsy tanatin'ny sokajy "Avenir" sahaza ny taonany.

Isaorana ny zoky Raiamandreny ao amin'ny Masoivoho tamin'ny famporisihana, ny fikarakarana ary ny fanotronana hatrany an-toerana. Izy ireo koa dia maneho fisaorana manokana ny Komity Mpanatanteraka ny RNS 2018 tamin’ny fandraisana sy ny fikarakarana rehetra nandritra ny fivahinian’ireo solontena tany Lyon, Frantsa.

Araka ny efa voalaza, hoy izy ireo, dia santatra am-bava-rano ihany iny fa ny manetsa be mbola ho avy. Noho izany dia efa manentana antsika rehetra hiomana amin’ny andiany manaraka.

 

Ny sary rehetra dia efa milahatra : ATO

(Noho ny fisavoritahana kely teo amin''ny fikarakarana tany am-panombohana dia ialana tsiny ny tsy nahazoana sary an'i Lorenzo)