You are here

Vaovao

Hafaliana ho an'ny Ankohonana Katolika Victoire Rasoamanarivo eto Roma no manasa antsika Malagasy eto Roma sy ny manodidina hiara-hiombom-pifaliana aminy amin'ny fetim-piangonana ny alahady 30 oktobra izao. Toa izao ny fandaharam-potoana:

- Amin'ny 12 ora: Sorona Masina ao amin'ny Paroasy Santa Maria della Visitazione - Via dei Crispolti 142/144 Roma

- Aorian'izay dia fiaraha-misakafo sy fikoranana ao amin'ny trano malalaky ny Paroasy - Via Alfredo Comandini 26

Samy mitondra sakafo sy zava-pisotro hifampizaràna.

Amin’ny anaran'ny Fikambanana Tetezana Onlus no anolorana fisaorana sy fankatelemana anareo rehetra tonga nanome voninahitra tamin'ny andro nankalazany ny faha-folo taona iny.

Folo taona nanohananareo ny asa sosialy rehetra nosahaninay, na ho an’ireo tetikasana any Madagasikara izany na ho an'ny eto Italia. Raha tsy teo ianareo nanohana ara-pitaovana, ara-bola, nanome sosokevitra, nanotrona tam-pitiavana ny hetsika rehetra nataonay, dia tsy ho tafitanay izay 10 taona izay ka fankasitrahana feno no atolotray.

Fotoana nanaovanay tatitra izay zava-bita tanatin’izay fotoana izay moa no niarahantsika nandritra iny faran’ny herinandro iny. Nisy ireo teo hatrany am-piandohana, nisy ireo vao haingana vao nifanerasera taminay ka rariny raha tsy atao tompon-trano mihono ianareo.

Na ho anareo nahafoy fotoana sy harena nanotrona nandritra izany fety izany, na ho anareo nanana fikasana ny ho avy saingy fotoam-bita moa tsy nahaleo ny sampona, ny toetr’andro rahateo somary nampisalasala dia tolorana ity fisaorana ity. Satria noho ny falalahan-tànanareo nasesim-pitiavana dia nahavory 750 € ny Fikambanana tamin'iny fotoana iny, na dia tsy vahoaka be aza isika tao.

Singanina manokana eto :
- ianareo Zoky Raiamandreny ao amin’ny Masoivoho, Ramatoa Helinoro TIANAMAHEFA sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky, izay nanokatra tsy nisalasala ny Tranobe Iombonana sy nandray anjara tamin’ny fikarakarana,
- Andriamatoa Luc Marcel RAKOTONIRINA, Talen’ny Gabinetran’ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana, sy Ramatoa vadiny, izay vahiny sendra mandalo manefa adidy eto Roma nefa dia tsy nisalasala fa tonga nanome voninahitra,
- Andriamatoa Pietro PETRASSI, Mpanolotsaina ao amin’ny Regione Lazio, Commissione Affari Comunitari e Internazionali, Cooperazione tra i Popoli e Tutela dei Consumatori, sy Ramatoa vadiny.

Sitraka sy telina tompoko, onera be avokoa ny nafoinareo ho an’ny Fikambanana, ary manantena anareo ho eo anilanay hatrany izahay amin’ny adidy rehetra mbola sahaninay fa tena hery lehibe ho anay ny manana anareo mifanindran-dàlana aminay hatrany. Tsy ho voavalinay ireny fitiavana lehibe asehonareo ireny, fa izahay dia fitaovana ihany koa, kanefa dia mino izahay fa hiverina zato heny aminareo ireny.

------------

Ny sary dia efa milahatra : ATO

Iny fankalazana ny fetim-pirenena iny no tontosa dia ny fiaraha-mientan'ny rehetra ka indro ny teny fisaorana avy amin'ireo tompon'andraikitra ao amin'ny masoivohon'i Madagasikara eto Roma izay eo ambany fitarihan'ny Mpiandraiki-draharaha, Ramatoa Helinoro Tianamahefa.

Ny sary rehetra dia efa ao amin'ny Tahirintsary

Ho fankalazana ny fetimpirenana Malagasy dia hisy fiarahamivavaka iraisampinoana izay hanasana antsika Malagasy rehetra ny Alahady faha 26 volana Jona amin’ny 2 ora sy sasany folakandro ao amin’ny Fiangonana Valdezy lalana 4 Novambra.

Aorian’ny fotoambavaka dia hisy fiaraha-miala hetaheta ka iangaviana isika mba hivimbina izay zakantsika mba hoentimanana izany fifanankalozana sy fifampizarana izany.

Dia misaotra ary manantena ny fahatongavantsika maro.

Ny birao FFKM Roma

La sesta edizione della Giornata del
Madagascar si propone di presentare
e celebrare le varie facce della peculiarità e
dell'eccezionalità di una terra e dei suoi popoli.
Il Madagascar rappresenta per molti versi uno
dei luoghi al mondo dove l'evoluzione ha
sperimentato nuove strade e dove l'esplorazione
e l’avventura hanno ancora un significato. Isola
dai mille volti e dai mille paesaggi, abitata da
animali unici e da piante fantastiche che tutt'oggi
popolano ecosistemi fragili.
Ricercatori di tutto il mondo continuano a
scoprire nuove specie ad un ritmo incredibile,
in ambienti che però stanno rapidamente
scomparendo sotto la mano dell'uomo.
Allo stesso tempo l'origine delle tante etnie che
colorano l'altopiano e le coste dell'isola resta per
molti versi un mistero, come pure le tradizioni
profonde che le animano.
Oggi, a 56 anni da un'indipendenza raggiunta
faticosamente, il Madagascar è ancora alla ricerca
del posto che gli compete nel contesto globale.
In questo slancio contribuiscono anche molte
realtà di volontariato, che portano alta la voce e la
cooperazione italiana.
I malagasy che vivono in Italia celebrano questa
giornata con nuove speranze e con nuovi
progetti, condividendo momenti di cultura, di
musica e di festa.

Scaricare il PDF

Ampitaina ny fanasana ofisialy avy amin'ny Masoivohon'i Madagasikara eto Italia mikasika ny fankalazantsika ny fetin'ny fahaleovan-tena ny 26 jiona 2016
---------------
FANASANA
Ramatoa TIANAMAHEFA Onipatsa Helinoro, Mpiandraiki-draharaha a.i. ao amin’ny Masoivoho malagasy eto Italia sy ireo mpiara-miasa aminy dia faly manasa antsika mpiray tanindrazana rehetra monina eto Italia mba hiaraka hankalaza ny fetim-pirenena ao anatin’ny “Madagasikara mandroso no tanjona iombonana”
Ny lanonana dia hotanterahina ny Sabotsy faha 25 jona 2016, manomboka amin’ny 6 ora hariva, ao amin’ny Masoivoho malagasy Via Riccardo Zandonai, 84/A 00135 Rome.
FANDAHARAM-POTOANA:
06 ora hariva : Fahatongavana sy fandraisana antsika rehetra.
06 ora sy sasany hariva: Fananganan-tsaina sy hiram-pirenena iaraha-miredona.
07 ora latsaka fahefany hariva: Kabary ifandimbiasana :
- Solontenan’ny Diaspora.
- Ramatoa Mpiandraiki-draharaha a.i.
07 ora sy fahefany hariva: Fiantombohan’ny lanonana - hira sy dihy nentin-drazana.
08 ora alina: Sakafo « Nofonkena mitam-pihavanana » arahin’ny fandihizana.
10 ora alina: Fanapahana ny mofo mamy.

Ity ny fanasana ho anareo any amin'ny Faritra Emilia-Romagna sy ny manodidina amin'ny fankalazana ny 26 jiona.

Ity izany ny fanasana amin'ny fankalazana ny fetin'ny Fahaleovantena ho anareo any amin'ny faritra Lombardia sy ny manodidina any.

Toa ny mahazatra dia mandray anjara amin'ny fety karakarain'ny Migrantes antsoina hoe "Festa dei Popoli" indray isika Malagasy eto Italia. Hisy ny stand mampiseho ny ankohonana malagasy sy i Madagasikara, mandritra ny lamesa dia hisy hira malagasy, ary ny tolakandro dia hisy dihy hataon'ireo tanorantsika eny an-dapihazo. 

Hiavaka ity andiany faha 25 ity satria hitombo ny isan'ny mpandray anjara avy amin'ny firenena maro. Faha 25 taona nisian'ny Festa dei Popoli rahateo. Ary ny lohahevitra entina amin'ity andiany faha 25 ity dia hoe "Misericordia senza confini" noho ny maha taonan'ny Jobilin'ny Famindram-po ity taona ity.

Koa manasa antsika Malagasy rehetra hamangy eny amin'ny Piazza San Giovanni di Laterano ny tontolo andron'ny 15 mey 2016

Nahafinaritra ny fiarahana niala voly
omaly. Nofidina manko ny fetin'ny asa mba hisaorana indrindra sy hirarian-tsoa
ny Mpiandraiki-draharaha vaovao, Andriamatoa Dama RAKOTONDRASEDO sy ny mpiara-miasa aminy ao amin'ny
masoivohontsika eto Roma. Tamin-kafaliana koa no niarahabana sy nandraisana ny
Mpanolotsaina vaovao, Ramatoa Helinoro TIANAMAHEFA, izay vao tonga tamin'ny herinandro teo.

Nampihetsi-po ny nahita anareo rehetra
tonga namaly ny antso, nisolo tena ny faritra onenany, nisolo tena ny
vondrona iantsorohany, ny pretra sy relijiozy isam-pikambanana, ny Fiangonana
mirahavavy - katolika sy protestanta sy ny isan-tokony tsy voatanisa. Mbola
afaka mirehareha isika eto Italia fa manandratra avo hatrany ny
Fihavanana malagasy, indrindra moa manana Zoky mampatsiahy antsika izany
hatrany ka nahatonga izao hetsika kely izao. Na dia nafenina azy aza ny tena
anton'iny fiarahana omaly iny dia nosokafany midanadana ny varavarana fa
"tranobe iomobonana io", hoy izy, raha vao nangataka alalana taminy
fotsiny ny mpiketrika hanao izany ao amin'ny masoivoho.

Misaotra anareo namerina taminy ny
Fitiavana natolony raha teo foana izy na tamin'ny fifaliantsika na tamin'ny
fahoriantsika, tsy nandala vola aman-karena, tsy nitandro hasasarana fa dia nandray fiara nanotrona na tany amin'ny
500 km na teto
am-poto-trano. Misaotra Roma, Verona, Venezia, Firenze, Arezzo, Napoli, Fiuggi,
L'Aquila, Montorio Romano, sns.

Misaotra ihany koa anareo nanotrona an'eritreritra, niala tsiny tsy mba afaka tonga noho
ny halaviran-tany na noho ny adidy aman'andraikitra nitana. Aza manahy
ianareo fa voampita tany aminy avokoa ireny hafatrareo ireny.

Fisaorana manokana ho an'ny Terak'i
Fianarantsoa, ny Fraternità Malgascia, ny Tetezana onlus ary ny zoky sy zandry
rehetra miasa ao amin'ny Masoivoho tamin'ny fiaraha-miketrika.

Nahafinaritra be - toy ny mahazatra
antsika - iny tontoloandro iny. Dia izao re no mandavà !

(Sary : ATO ooooo)

Nahafinaritra ny fiarahana niala voly omaly. Nofidina manko ny fetin'ny asa mba hisaorana indrindra sy hirarian-tsoa ny Mpiandraiki-draharaha vaovao, Andriamatoa Dama RAKOTONDRASEDO sy ny mpiara-miasa aminy ao amin'ny masoivohontsika eto Roma. Tamin-kafaliana koa no niarahabana sy nandraisana ny Mpanolotsaina vaovao, Ramatoa Helinoro TIANAMAHEFA, izay vao tonga tamin'ny herinandro teo.

Nampihetsi-po ny nahita anareo rehetra tonga namaly ny antso, nisolo tena ny faritra onenany, nisolo tena ny vondrona iantsorohany, ny pretra sy relijiozy isam-pikambanana, ny Fiangonana mirahavavy - katolika sy protestanta sy ny isan-tokony tsy voatanisa. Mbola afaka mirehareha isika eto Italia fa manandratra avo hatrany ny Fihavanana malagasy, indrindra moa manana Zoky mampatsiahy antsika izany hatrany ka nahatonga izao hetsika kely izao. Na dia nafenina azy aza ny tena anton'iny fiarahana omaly iny dia nosokafany midanadana ny varavarana fa "tranobe iombonana io", hoy izy, raha vao nangataka alalana taminy fotsiny ny mpiketrika hanao izany ao amin'ny masoivoho.

Misaotra anareo namerina taminy ny Fitiavana natolony raha teo foana izy na tamin'ny fifaliantsika na tamin'ny fahoriantsika, tsy nandala vola aman-karena, tsy nitandro hasasarana fa dia nandray fiara nanotrona na tany amin'ny 500 km na teto am-poto-trano. Misaotra Roma, Verona, Venezia, Firenze, Arezzo, Napoli, Fiuggi, L'Aquila, Montorio Romano, sns.

Misaotra ihany koa anareo nanotrona an'eritreritra, niala tsiny tsy mba afaka tonga noho ny halaviran-tany na noho ny adidy aman'andraikitra nitana. Aza manahy ianareo fa voampita tany aminy avokoa ireny hafatrareo ireny.

Fisaorana manokana ho an'ny Terak'i Fianarantsoa, ny Fraternità Malgascia, ny Tetezana onlus ary ny zoky sy zandry rehetra miasa ao amin'ny Masoivoho tamin'ny fiaraha-miketrika.

Nahafinaritra be - toy ny mahazatra antsika - iny tontoloandro iny. Dia izao re no mandavà !

(Sary sy horonana : ATO ooooo laugh)

Faly manasa antsika hikorana indray ny FRA.MA (Fraternità Malgascia) amin'ny 18 jiona ho avy izao, manomboka amin'ny 3 ora tolakandro ka hatramin'ny 11 ora sy sasany alina. Ny toerana dia eny amin'ny efa falehantsika mahazatra : via Gabriele degli Espositi, 93 (Selva Nera - Casalotti).

Fandraisana anjara : 10 €

Mifampilazà dia tongava maro fa tsinjaka bevata miaraka amin'i Françoise ity !

Raha mila fanazavana fanampiny dia afaka miantso ny 3393321906 na 327 3636729 na 0774 798088.

Takelaka