You are here

Misaotra ny Malagasy rehetra eto Italia

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 02/05/2016 - 14:18

Nahafinaritra ny fiarahana niala voly
omaly. Nofidina manko ny fetin'ny asa mba hisaorana indrindra sy hirarian-tsoa
ny Mpiandraiki-draharaha vaovao, Andriamatoa Dama RAKOTONDRASEDO sy ny mpiara-miasa aminy ao amin'ny
masoivohontsika eto Roma. Tamin-kafaliana koa no niarahabana sy nandraisana ny
Mpanolotsaina vaovao, Ramatoa Helinoro TIANAMAHEFA, izay vao tonga tamin'ny herinandro teo.

Nampihetsi-po ny nahita anareo rehetra
tonga namaly ny antso, nisolo tena ny faritra onenany, nisolo tena ny
vondrona iantsorohany, ny pretra sy relijiozy isam-pikambanana, ny Fiangonana
mirahavavy - katolika sy protestanta sy ny isan-tokony tsy voatanisa. Mbola
afaka mirehareha isika eto Italia fa manandratra avo hatrany ny
Fihavanana malagasy, indrindra moa manana Zoky mampatsiahy antsika izany
hatrany ka nahatonga izao hetsika kely izao. Na dia nafenina azy aza ny tena
anton'iny fiarahana omaly iny dia nosokafany midanadana ny varavarana fa
"tranobe iomobonana io", hoy izy, raha vao nangataka alalana taminy
fotsiny ny mpiketrika hanao izany ao amin'ny masoivoho.

Misaotra anareo namerina taminy ny
Fitiavana natolony raha teo foana izy na tamin'ny fifaliantsika na tamin'ny
fahoriantsika, tsy nandala vola aman-karena, tsy nitandro hasasarana fa dia nandray fiara nanotrona na tany amin'ny
500 km na teto
am-poto-trano. Misaotra Roma, Verona, Venezia, Firenze, Arezzo, Napoli, Fiuggi,
L'Aquila, Montorio Romano, sns.

Misaotra ihany koa anareo nanotrona an'eritreritra, niala tsiny tsy mba afaka tonga noho
ny halaviran-tany na noho ny adidy aman'andraikitra nitana. Aza manahy
ianareo fa voampita tany aminy avokoa ireny hafatrareo ireny.

Fisaorana manokana ho an'ny Terak'i
Fianarantsoa, ny Fraternità Malgascia, ny Tetezana onlus ary ny zoky sy zandry
rehetra miasa ao amin'ny Masoivoho tamin'ny fiaraha-miketrika.

Nahafinaritra be - toy ny mahazatra
antsika - iny tontoloandro iny. Dia izao re no mandavà !

(Sary : ATO ooooo)