You are here

Festa dei popoli 2016

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 09/05/2016 - 08:43

Toa ny mahazatra dia mandray anjara amin'ny fety karakarain'ny Migrantes antsoina hoe "Festa dei Popoli" indray isika Malagasy eto Italia. Hisy ny stand mampiseho ny ankohonana malagasy sy i Madagasikara, mandritra ny lamesa dia hisy hira malagasy, ary ny tolakandro dia hisy dihy hataon'ireo tanorantsika eny an-dapihazo. 

Hiavaka ity andiany faha 25 ity satria hitombo ny isan'ny mpandray anjara avy amin'ny firenena maro. Faha 25 taona nisian'ny Festa dei Popoli rahateo. Ary ny lohahevitra entina amin'ity andiany faha 25 ity dia hoe "Misericordia senza confini" noho ny maha taonan'ny Jobilin'ny Famindram-po ity taona ity.

Koa manasa antsika Malagasy rehetra hamangy eny amin'ny Piazza San Giovanni di Laterano ny tontolo andron'ny 15 mey 2016