You are here

Vaovao

Asaina indrindra isika any avarabaratra any, Brescia sy ny manodidina, hanotrona ity hetsika/famelabelarankevitra mitondra ny lohahevitra hoe "Nessun discorso di odio" ity, izay handraisan'i Lydie Andriamiseza anjara fitenenana. 

Lydie moa dia isan'ireo mitondra avo ny fampahafantarana ny kolontsaina malagasy any amin'ny faritra misy azy any. Ka ny anjara toeran'ny vehivavy eo amin'ny fiaraha-monina no resahany amin'ity hetsika iray ity.

Fa haintsika tokoa ve fa isan'ny firenena afaka mirehareha fa manana kolontsaina manandratra avo ny vehivavy i Madagasikara ? "Andriambavilanitra" tokoa no anaran'angola niantson'ny razambe azy. "Tompokolahy sy tompokovavy" no hanombohany ny kabariny rehefa handray fitenenana izy, satria ho antsika Malagasy dia izay omen-kaja sy voninahitra no tononina farany.

Manentana antsika ary hiara-hamantatatra bebe kokoa, hankamamy sy hanome lanja ny kolotsaintsika. Ento ireo namana vahiny fa hahaliana azy ireo izany : zoma 24 martsa izao, amin'ny 9 ka hatramin'ny 12 ora sy sasany maraina ao amin'ny Liceo E. Fermi, via Martiri delle Foibe, 8 ao Salò (Brescia).

Efa maromaro ihany angamba no mahalala ny hazakazaka Maratona eto Roma isan-taona ka amin'ity taona ity dia ny 2 aprily no hanaovana azy.  Ankoatra io dia misy koa ny "Fun Run - La Stracittadina", hazakazaka maivana sady fialamboly manivatsiva an'i Roma anaty 4 kilaometatra sy sasany - izany hoe vao vita ny fiaingan'ny tena maratona 42 km dia manainga ny Run fun.

Ka eo indrindra no anentanana antsika eto Roma sy ny tanàna manodidina satria sady mba fialana voly no fitaizana vatana sady fanaovana adidy. Hisy sarany 10 euro ny fandraisana anjara ka ny 4 euro isaky ny tapakila lafon'ny Fikambanana Tetezana Onlus dia harotsaka ho an'ny Fikambanana entiny hiatrehana ny tetikasa any Madagasikara momba ny "Tranomboky mandehandeha". Tafiditra anatin'io sarany io ihany koa ny "Kit "(T-Shirt sns) ho an'ny mpandray anjara.

Ny fisoratana anarana dia mila atao alohan'ny alahady 26 martsa amin'ny 12 ora antoandro ao amin'ny foiben'ny Fiambanana ao amin'ny YWCA, via Cesare Balbo 4, ny alatsinainy ka hatramin'ny zoma : amin'ny 9 ora maraina ka hatramin'ny 8 ora alina, ary ny sabotsy sy alahady : amin'ny 9 sy sasany ora maraina ka hatramin'ny 1 ora sy sasany tolakandro.  Apetrao amin'izay olona eo amin'ny birao fandraisana ny anarana sy fanampiny, ny sarany ary ny haben'ny T-Shirt mety aminao (S - M - L- XL- XXL) fa ny mpiandraikitra ny Fikambanana ihany no haka ny antsika rehetra miaraka eny amin'ny Marathon Village.

Ny fotoanantsika kosa amin'ny andron'ny maratona dia amin'ny 7 ora ka hatramin'ny 8 ora latsaka fahefany maraina mba hanomezana antsika ireo kojakoja rehetra. Avy eo miaraka midina eny amin'ny Via Cavour izay toerana iaingan'ny hazakazaka amin'ny 9 ora. Mitondrà saina malagasy sy zay mety hampiavaka antsika. Tongava daholo ny mpianakavy, taomy ny namana e !

Ny mpiandraikitra : 
Andry,
mail : andry@tetezanaonlus.org / tel : 3471432921

Amin’izao volana manokana ho an’ny “Firaisan’ny Kristianina” sady ho “Fifampiarahabantsika” amin’izao taona vaovao izao.

Dia manainga antsika Malagasy tapaka sy namana rehetra, amin’ny fiombonam-bavaka iraisam-pinoana ny:
Alahady 29 janoary 2017
Toerana ao amin’ny Parrocchia Santa Maria Della Visitazione Via Crispolti 142 akaiky via Tiburtina (P. Alain)
Ora fanombohana: 12:30

Fampatsiahivana: Toy ny mahazatra dia samy mitondra izay vitany hifampizarana aorian’ny fanompoam-pivavahana

Dia manantena antsika rehetra hiombom-pifaliana

Ny Birao FFKM

Amin'ny Finoana sy Fanantenana amin'ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no ampandrenesana fa i Miandra Alison BEZAKA, pretran'ny diosezin'Antsiranana, dia nodimandry ny alatsinainy 23 janoary 2017 teo amin'ny faha 58 taonany, rehefa nahafeno 30 taona naha-pretra azy. Ho entina any Antsiranana anio talata izy ary hatao veloma farany ny zoma 27 janoary. 
Marihina fa efa nianatra tao amin'ny Oniversità Biblicum eto Roma izy ny taona 1990 ka hatramin'ny 1994. 

Miara-miondrika amin'ny fianakaviany manontolo izahay mpiandraikitra ity vohikala ity ary mivavaka ho an'ny fialan-tsasatry ny fanahiny.

-----------------

Fisaorana avy amin'ny fianakaviana : 

Araka ity filazana ity izany dia vita soa aman-tsara ny pasipaoro namboarina tamin'ny volana mey koa iangaviana isika izay nanao izany mba haka ny azy eny amin'ny ambassade manomboka ny alarobia 18 janoary 2017, ary afaka miantso ny 06-89325882 izay mila fanazavana.

Ao amin'ny foiben'ny Masoivohontsika eto Roma izany ny hifamotoanantsika hamarana am-pifaliana ity taona 2016 ity, taona izay somary nifarana mavesatra kanefa tantely amam-bahona moa ny fiainana ka dia ho ny tsara hatrany no ifanodiavantsika.

Izay mila fanazavana fanampiny dia afaka miantso mivantana ny ao amin'ny masoivoho. Ampitampitao ny hafatra.

Teny iray fa mahalaza izay rehetra tian'ny fo ambara aminareo zanak'am-pielezana eto Italia amin'izao ora mbola manjombona be izao : Misaotra !

Misaotra avy amin'i Tsiory, zanaka navelan'i Fidèle ; misaotra avy amin'ny havany rehetra any Madagasikara. Tsara levenana izy ary henim-boninahitra ny fianakaviany sy isika Malagasy eto Italia tsy voatonona anarana tsirairay, tamin'izay vitantsika rehetra ho azy izay. 

Ho tody soa any amin'ilay tontolo tsy manota izy ka handry am-piadanana.

____________

Grazie sentitamente a tutti voi presenti col cuore, fisicamente e materialmente all'ultimo saluto al nostro amico Fidèle, che ci ha lasciato tragicamente il 7 dicembre scorso a Roma. 

[Ny sary rehetra sy ny horonantsary dia efa ao amin'ny tahirintsary.]

Na anatin'ny alahelo tokoa aza isika ankehitriny, dia fenofeno ny fo ka tsy hay ny tsy hitsiky, hisaotra, hankasitraka, hankatelina anareo tamin'ny fidododoanareo omaly alakamisy 8 desambra, naneho fa mbola sarobidy ny fihavanana. Tonga ianareo tsy nitandro hasasarana, nanombina ny fotoananareo, nahafoy harena ihany koa fa mahatsiaro ho manana adidy amin'ny fiarahamonintsika.

Sitraka enti-matory hono tompoko, hoy Tsiory zanany sy ny fianakaviana manontolo any Madagasikara, fa tsy navelanareo ho irery izy ireo ary tsy navelanareo ho very tatý an-tanin'olona tatý i Fidèle. Navalinareo azy ny fitiavana sesehena nafafiny nandritra ny 25 taona teo ho eo niainany teto Roma sy Italia, ary ireo tsy nahalala azy dia tsy nisalasala tonga  noho ny fahatsapana fa tanan-kavia sy havanana tokoa isika ka izay didi-maharary.

Mino isika fa velon-tsiky sy velom-pisaorana i bebe Jeanine reniny eny amin'ny tontolo tsy hita maso eny, mahita izao ataonareo ny zanany izao. Dia ho ny soa indray no hifanodiavantsika tompoko.

____________

Ny Tahirintsary dia misy anankiroa :
7 sy 8 desambra : teny aminy hopitaly tamin'ny fotoana nikimpian'ny masony ny 7 desambra, niara-nidinika ny amin'ny adidy miandry antsika. Ary 8 desambra, nandritra fotoam-pivavahana ho fialan-tsasatry ny fanahiny tao amin'ny fiangonana protestanta sady nitondrantsika izay mba efantsika tsirairay avy amin'ny adidy farany aminy.

10 desambra : fiondrehana farany teo anoloan'ny vatany mangatsiaka sy fanaterana azy teny amin'ny fasana ilevanany eny Prima Porta.

Amin'ny fo feno alahelo no hilazana amintsika Malagasy eto Italia manontolo fa nandao antsika tampoka teo amin'ny faha-49 taonany i Fidèle Barinjaka, anio alarobia 7 desambra tamin'ny 7 ora hariva teny amin'ny hopitaly San Camillo eto Roma.

Isaorana sahady ireo efa nidodododo nanatri-maso azy farany nanomboka omaly fony izy vao nifamonjena naiditra hopitaly ka hatramin'ny anio hariva. 

Efa misy moa ny fiarahana mivavaka iraisam-pinoana nokasaina ho fangatahana fitahiana ho azy ny alakamisy 8 desambra amin'ny 4 ora hariva, ao amin'ny fiangonana protestanta, via del IV Novembre,  ka dia tanterahintsika ihany izy io ho an'ny fialan-tsasatry ny fanahiny sady hanefantsika ihany koa ny fara adidy aminy, ho solon-dambamena.

Noho ny maha irery azy aty an-tany lavitra manko dia tsy misy afa-tsy isika zanaka am-pielezana ihany no solom-pianakaviany. Tsy ho endrika famangiana ny adidy ataontsika noho izany fa tena fandraisan'anjaran'ny rehetra, tapaka sy namany, na lavitra na akaiky. Ka araka ny fandaminana dia hoe hozaraina valopy eo am-baravarana isika, ka samy mandrotsaka izany toa ny rakitra avy eo. Koa manantena ny fiaraha-mientantsika rehetra satria 3000 euro eo ho eo ny ilaina hanatontosantsika zany adidy farany aminy izany. 

Ireo any amin'ny faritany ka lavitra an'i Roma dia afaka mifandray amin'i Rick : 392 1610506 na i Andry : 347 143 2921.

Dia etoana no hanehoana amin'ny fianakaviany manontolo any Madagasikara ny fiombonana alahelo amin'izy ireo. Mankahery indrindra ary handry am-piadanana anie ny fanahiny.

Vita ny hazakazakao, veloma Fidèle, soava dia amin'ilay tontolo tsisy fahoriana intsony ! Any indray mihaona.

dalle 20 fino all'alba

Ingresso adulti: 30 Euro

Prevendita: 25 Euro

Bambini da 5 a 18: 15 Euro

Viale delle Industrie, 17

Settala, Milano

dalle 20 fino all'alba

Ingresso adulti: 30 Euro

Prevendita: 25 Euro

Bambini da 5 a 18: 15 Euro

Viale delle Industrie, 17

Settala, Milano

Mba apetraka eto ity horonantsary ity hampahafantarana ny zava-misy amin'ny Malagasy eto Italia. Ary dia manantena ny zanaka am-pielezana fa hahazo valinteny sy vahaolana momba ity resaka pasipaoro ity. 

Mety vitsy no mbola mahalala ilay olana amin'izao ora izao satria efa lany daty ilay pasipaoro, ka dia efa ampiomanina ihany koa izany ireo manana pasipaoro ho lany daty atsy ho atsy. Ankoatra ny fahafahana mivoaka sy miditra ny firenena italianina dia tena iankinan'ny ain-dehibe ny pasipaoro satria miankina amin'io koa ny hahafahana manavao ny taratasy fahazoana monina eto Italie. Ary raha tsy afaka manavao an'io dia mazava ho azy fa mety ho very asa, tsy afaka hanohy fianarana...zany hoe very zo.

Koa miangavy ny tompon'andraikitra re, mba omeo fanazavana sy vahaolana ireto zanaka am-pielezana efa manomboka misafotofoto fa sady efa lany 90 € isan'olona (nefa dia misy ny fianakaviana iray izay efatra na dimy mianaka) no mbola tsy maintsy hitady vahaolana hanavaozana ilay pasipaoro any Madagasikara indray sady handoa 30€ na 40 € isaky ny pasipaoro toy ny rehetra ihany koa.

Hafaliana ho an'ny Ankohonana Katolika Victoire Rasoamanarivo eto Roma no manasa antsika Malagasy eto Roma sy ny manodidina hiara-hiombom-pifaliana aminy amin'ny fetim-piangonana ny alahady 30 oktobra izao. Toa izao ny fandaharam-potoana:

- Amin'ny 12 ora: Sorona Masina ao amin'ny Paroasy Santa Maria della Visitazione - Via dei Crispolti 142/144 Roma

- Aorian'izay dia fiaraha-misakafo sy fikoranana ao amin'ny trano malalaky ny Paroasy - Via Alfredo Comandini 26

Samy mitondra sakafo sy zava-pisotro hifampizaràna.

Takelaka