You are here

Vaovao

Ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Roma dia faly manasa antsika
Malagasy rehetra tsy ankanavaka amin'ny fiombonam-bavaka atao ho
fahatsiarovana ireo mahery fo tamin'ny 29 Marsa 1947 sy fitondrana
ambavaka ny firenena malagasy.
Izany dia tontosaina ny Alahady faha-29 marsa tolakandro amin'ny 14:30.
Ny toerana dia ao amin'ny Parrocchia di Santa Maria della Visitazione,
Via dei Crispolti-142/144, 00159 – Roma

Fanazavana:

Mandeha Bus 163 :

  • Raha miainga avy any Verano dia miala eo amin'ny fijanonana Tiburtina/Diego Angeli.
  • Raha avy any Rebibbia no miainga dia miala eo amin'ny fijanonana Tiburtina/Cesana.

Metro B : mankany Rebibbia ary mijanona fermata Petralata, manaraka ny via
Tiburtina miankavanana ary mivily eo amin'ny Via Luigi Cesana na Via Diego Angeli
mandrapahita ny fiangonana.
Manantena ny fahatongavantsika maro amin'io fiaraha-mivavaka io.
Mirary soa ho antsika rehetra ary samy ho tahian’Andriamanitra daholo.

Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan' i Jesoa Kristy Tompo sy ny
fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana avy amin'ny Fanahy Masina!
2 Korintianina 13: 14

Ny Komitin'ny FFKM eto Roma.

Ny Fikambanana G.T.M. dia mbola manasa ny besinimaro ho tonga hiara-hikorana mandritran'ny ALINA GOAVANA izay hotanterahina ao amin'ny "Restaurant-Pizzeria-Pub RED PASSION", via Resempiano 42, Sirtori (Lecco), Frazione Bevera, ny asabotsy 7 Martsa 2015 ho avy izao.

Ny korana dia hatomboka amin'ny fiaraha-misakafo, amin'ny 7 ora hariva, ka hotohizana amin'ny fampahafantarana an'i MADAGASIKARA amin'ny alalan'ny lahatsoratra momba ny «Fitaizana Malagasy», hovakiana amin'ny tenin-drazana ary hampiarahana amin'ny fanehoana sary ; fampiratiana ihany koa ny zava-kanto vita Malagasy zay hisy azo vidina ; hisy koa fanehoana ny fitafin'ny foko Malagasy sasantsasany.

Toy ny mahazatra, ny korana dia hohafanaina amin'ny mozika sy dihy. Ho an'ny vehivavy dia hisy fanomezana hatolotra ny tsirairay.

Ny fandraisana anjara hangatahana dia 20 euro, izay vidin'ny sakafo hokarakarain'ny tompo-toerana.
Koa tongava maro fa ny fahafinaretana dia ho azo tokoa!
Ho an'izay mila fanazavana bebe kokoa ary maniry ny ho avy dia iangaviana izy hiantso ny laharan'ny findain'i Louise 335 8382871 na Lucie 334 9341572.

Ny Masoivohompirenena malagasy eto Roma dia manolotra anareo ity fisaorana ity sy  tatitra ity taorian'ny antso avo natao ho an'ireo traboina any an-tanindrazana.

Ny Masoivohompirenena malagasy eto Roma dia mandefa ity fanentanana ity ho antsika rehetra eto Italia, na vondrona laika, na antokom-pivavahana, na mpanao asa sosialy na ny isam-batan'olona sy isam-pianakaviana amin'ny fandraisana anjara ho fanampiana ireo mpiray tanindrazana izay traboina tamin'ireo rivo-doza farany nosedrain'i Madagasikara, indrindra ny rivo-doza Chedza izay nahery vaika loatra.

Manomboka ny 23 ka hatramin'ny 25  febroary izao ny fe-potoana farany hanaterana ny voaangon'ny isan-tokony any amin'ny Masoivoho eto Roma (jereo fanazavana amin'ny taratasy ofisialy). Ampitampitao ho an'izay tsy tratr'ity antso ity.

Marihina fa mangarahara ny fandrotsahana an'io vola io any amin'ny BNGRC izay mitsinjara ny fampiasana azy ireo. Koa ny olona rehetra na fikambanana izay mandrotsaka dia voasoratra mazava ao amin'ny Masoivoho ny anarany sy ny adiresiny ary ny vola narotsany. Ka rehefa mifarana ny fanangonana dia havoaka mazava ho an'ny besinimaro ho hitan'ny rehetra izany avy eo ary havoaka ihany koa ny tapakila nandefasana azy nankany Madagasikara miaraka amin'ny tontalin'ny vola voaangona ka nalefa.

Misaotra indrindra.

Ho fiomanana sy hiatrehana ny Expo Milano 2015, dia misy ity hetsika ity zay ifarimbonan'ny Ministeran'ny Raharahambahiny italiana miaraka amin'ireo Masoivohompirenena vahiny, ireo Andrim-panjakana isan-tsokajiny ary ny Fikambanana maro voakasik'izany ka ahafahan'ireo firenena 140 mandray anjara amin'ny Esposizione Universale mampahafantatra bebe kokoa ny momba azy ireo. Anisan'izany i Madagasikara.

Maro ny hetsiky ny Tanànan'i Roma amin'ity "Roma verso Expo Milano 2015" ity izay ho tazantsika eny amin'ny toerana lalovantsika eny. Ny hanasana antsika teratany malagasy, sy ireo namana vahiny ihany koa, dia ny fitsidihana ny tranoheva hampirantiana ny momba an'i Madagasikara eny amin'ny Aeroporto di Fiumicino, Terminale 3 (Hall Partenze) manomboka ny talata 3 febroary ka hatramin'ny alarobia 18 febroary. Marihina fa vao santatra am-bavarano fotsiny ity mialoha ny tena goavana izay hatao any Milan amin'ny volana mey.

Izay afaka hanatrika ny fitokanana ny talata 3 febroary amin'ny 12 ora atoandro ihany koa dia isaorana sahady.

Miarahaba ny rehetra,

ary faly mampita aminareo ity hafatra avy amin'ny Masoivoho ity momba ny fety hitsenantsika ny taona vaovao 2015 - manamafy ireo hafatra efa voaraintsika.
Mifampilazà, tongava maro, mivatsia izay zaka na zavapisotro na tohan'aina - ny mihoatra tsy ferana - mba hahatomombana ny fetintsika.
Mirary soa.

Fiarahana
miasa miaraka @ IMAD PRO , Vj MARCELLIN , Dj ENJY Manasa antsika
rehetra hanatrika ny fahatongavan ny gruppo completo FANDRAMA ny
sabotsy 20 dicembre ao shock disco via Nomentana 678 Fonte nuova Roma

Ny fikambanana G.T.M. dia faly manasa antsika rehetra hiara-hikorana ao Desio (MI), via Lampugnani n. 119, ny Alarobia 31 Desambra 2014 amin'ny sivy ora alina.
Ny fandraisana anjara amin'ny hofan'ny efitra dia 15€ ary hisy zava-pisotro hozaraina. Hisy Thb sy limonady hamidy.
Ny sakafo indray dia iangaviana ny tsirairay hivimbina, hiaraha-mihinana toy ny fanaontsika isika.
Tongava maro fa dia hafana ny korana!

Ampitampitao ho anareo any amin'ny tapany avaratr'i Italia, indrindra ny manodidina an'i Milan !

Hafatra avy amin'ny Masoivoho eto Roma

Nampita ity hafatra ity ny masoivompirenentsika eto Roma fa mila fanamboarana ny trano ka toy izao ny tolotr'asa ho an'ireo izay mety ho liana amin'izany.

Takelaka