You are here

Vaovao

Mahafinaritra sy mampirehareha antsika ny mahita ny toy itony. Hoy i Olombelo Ricky izay hoe "mahafinaritra ny gasy rehefa dedaka amin'ny anazy".

Arahabaina Edith, mandrosoa hasina hatrany ary misaotra e !

Manantena koa izahay fa mba hisy solontenantsika hanotrona azy amin'io andro fandraisana ny loka io, ny sabotsy 26 septambra amin'ny 2 ka hatramin'ny 3 ora tolakandro ao amin'ny piazza Lombardia 1, (sala Biagi) - Milan. Raha misy dia afaka mifandray aminy amin'ny alalan'ny mailaka : savaniglia@hotmail.com

Ho an' izay liana ny hahalala bebe kokoa ny làlana nizoran'i Edith nahatonga azy amin'izao toerana izao dia afaka mahita izany ATO

Fisaorana avy amin'ny masoivoho malagasy eto Roma.

Manantena ny fahatongavan'ny Malagasy maro amin'io andro natokana ho an'i Madagasikara io.

Indro ampitaina ny teny fisaorana ho an'ny rehetra avy amin'Andriamatoa Mpiandraiki-draharaha sy ireo mpiara miasa aminy ao amin'ny Masoivoho malagasy. 

Ny sary dia azo jerena ATO sy ATO

Miarahaba am-pifaliana tompoko,

Araka ny fampilazana efa voaraintsika momba ny fampirantiana oniversaly EXPO Milano 2015, izay andraisan’i Madagasikara anjara feno ary efa nanomboka tamin’ny 01 May 2015 ka hatramin’ny 31 Oktobra 2015 dia voatendry fa ny androm-pirenentsika (jounée nationale) dia ny alakamisy 13 Aogositra 2015, manomboka amin’ny 10 ora maraina hatramin’ny 11 ora alina, koa manasa antsika rehetra am-pitiavana hanotrona io fotoana io izay nomena ny lohahevitra hoe ”MALAGASY MISAOMA”.
Noho izany dia izao isika dia efa manomana sahady izany dia rodobe izany, satria raha maro isika no handeha dia mahazo fihenam-bidy amin’ny fidirana ao amin’ny EXPO (39€ ny vidim-pidirana feno, nefa misy koa ireo izay mitsinjara araky ny taona, ny mpianatra, ny fianakaviana, ny sembana).
Koa manasa antsika Malagasy rehetra eto Italia (avaratra, atsimo, afovoan-tany, atsinanana, andrefana, eny fa ianareo ivelan'i Italia ihany koa ka afaka mandalo eto) mba hisoratra anarana dieny izao izay maniry ny ho tonga any Milan amin’io andro io, mba hahafahana mangataka fihenambidy izay hiriana mba tsy hihoatra ny 20€ raha maro isika. 
Ary tena entanina isika rehetra ho avy hanotrona io andro io indrindra ka hisoratra anarana fara-fahatarany ny 30 Jona amin'ireo ny e-mail na finday voasoratra etsy ambany. Marihina fa izay nanoratra anarana ihany no mahazo fihenambidy fa ny ambiny kosa afaka manotrona fa amin'ny vidiny feno.

Ramatoa Tahiriniaina RAJAONARIVELO : 
mailaka : tahiryniaina@madagascarexpo2015.org
finday : (00393)298751617

Andriamatoa Nomena RASAONA :
mailaka : nomenacvrf@yahoo.fr
finday : (0039)340439902

Manomboka amin’ny 10 maraina ary mifarana amin’ny 11 ora alina ny fotoana ao saingy mbola tsy hay tsara ny antsipirihiny amin’izay mety ho azontsika atao, ka asa raha misy hevitra avy eo mba hiarahana mikorana ivelan’ny Expo satria maro ny mba te hanohy ny fety ka dia ankinina ain’ny namana ao Milan raha afaka manomana izany (ohatra fotoanan'ny tournée an'i Big MJ eto Eoropa io ka sao azo araraotina ho io no angatahana ny hiaviany ao Milan). Ireo izay mila trano hatoriana kosa moa dia misy hotely azon’ireo mpikarakara atoro eo amin’ny € 30-40 eo.

******************************************************

Fandaminana momba ny avy eto Roma sy ny manodidina na izay te-hiainga avy eto :

Raha ny avy eto Roma manokana dia ny mandeha train no tsara indrindra satria vetivety kokoa noho ny mandray pullman sy fiara amin’io andro io, miala maraina dia mody ny ampitso nefa koa raha maro isika no handeha dia mahazo fihenambidy (farafahakeliny olona 19 ). 
Mila manao famandrihan-toerana mialoha anefa izany ka izay liana rehetra dia afaka manoratra mivantana amin'i Hery (hery@malagasy.it) na Andry (andry@tetezanaonlus.org) na miantso ny finday : 3471432921, farafahatarany dia ny faran’ny volana Jona ity satria mihalafo ihany ny frais raha akaiky loatra.

Mirary soa, dia manantena ny fahazotoantsika maro eto Italie sy ny manodidina ary fa mba andro iray mety hihaonantsika rehetra isam-paritra io. Dia mba ilazao ireo izay sady tsy mahita hita hafatra ity no tsy mba nahazo ilay hafatra nalefa mailaka. Misaotra e.

 Amin'izao ankatoky ny fetim-pirenena izao dia fifaliana ho an'ny FFKM ny manasa antsika rehetra hanotrona sy handray anjara amin'ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana izay hatao ao amin'ny Chiesa Valdese 4 Novembre – ROMA (Akaikin’ny Piazza Venezia), ny Alahady 21 Jona 2015 manomboka amin'ny 2 ora sy sasany tolakandro.
Adidy sy andraikitry ny Fiangonana ny mivavaka ho an'ny firenena. Koa alao hery isika hivavaka ho an'ny firenentsika.
Manantena ny fahatongavantsika maro amin'io fiaraha-mivavaka io.
Mirary soa ho antsika rehetra ary samy ho tahian’Andriamanitra daholo.
 
Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan' i Jesoa Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana avy amin'ny Fanahy Masina!
2 Korintianina 13: 14
 
Ny Komitin'ny FFKM eto Roma.
 
BUS :
Ny BUS 64, 40, 170 dia miainga eo Stazione Termini ka dia miala eo Piazza Venezia 
 
Ny Fikambanana Tetezana Onlus dia manolotra ny fisaorana mitafotafo anareo rehetra tonga nandray anjara tamin'ireo roa andro natokana ho an'ny Malagasy eto Italia, izay tontosa an-tsakany sy an-davany.

Isaorana avokoa ireo Malagasy rehetra nanaiky hiresadresaka momba azy ireo, na ireo nalaina horonantsary na ireo tonga niresaka nivantana ny sabotsy tolakandro, ireo izay tsy nahalavi-tany fa nanao kilaometatra maromaro nitondra ny anjara birikiny.  

Sitraka indrindra ho an'ireo nivimbina izay voatsirambin'ny tànany natao ody am-bavafo ny takarivan'ny asabotsy, ireo nanampy tamin'ny fikarakarana sakafo ny alahady, ny niandraikitra ny lafiny ara-mozika, ny fiangonana Metodista nampiantrano, ho anareo tonga teny an-toerana, eny fa ianareo naniry ny ho avy saingy sampon'ny antony maro samihafa, kanefa tsy nandà ianareo fa nandefa hatrany ny fandraisan'anjaranareo. 

Singanina ihany koa ny fankatelemana  ho an'ny Zoky Raiamandreny, Andriamatoa Dama Rakotondrasedo mivady, fa na tsy eto an-toerana aza ingahirainy fa lasa kely any an-tanindrazana dia tsy nanaiky fa noraisiny ho adidy ny fandaniana tamin'ny "aperitivo sociale", nanampiana izay nentin'ny tsirairay tonga tao. Tsy vitan'ny mahafoy vola aman-karena fa eo lalandava mamporisika sy manohana hatrany ireo asa soa sy hetsika ataontsika tanora ho fampahalalana fa misy isika Malagasy eto Italia.

Afa-po izahay mpikarakara na dia maro aza ny madilana mbola mila tentenana. Hita tamin'iny fa afaka tsara isika miresaka momba antsika Malagasy na dia vitsy aza no mahalala ny fisiantsika noho isika tsy mba maro an'isa toy ireo vahiny sasany. Tsy voatery ho Madagasikara foana no ampahafantarina fa isika tsirairay ihany koa : ny momba antsika, ny fiaimpiainantsika, ny fivelarantsika eo amin'ny asa fivelomana sy ny fiarahamonina, sns. Fotoana iray ihany koa hihaonana sy hifampizarana traikefa ny toa ireny ka dia mbola ho avy ny manetsa be. Ny ezaka manaraka dia rariana tokoa hiarahana manotontosa amin'ireo zanaka am-pielezana isam-paritra, satria noho ny fahataran'ny fanomanana dia toa ny teto Roma ihany no voaresaka betsaka tamin'ity indray mitoraka ity. 

Anisan'ny hafatra navelan'ilay Raiamandrenintsika teto taloha moa - ka zary fenitra tandrovinay hatrany - ny hoe : "ianareo zanaka am-pielezana (diaspora) malagasy rehetra no ambasadaoron' i Madagasikara aty ivelany aty, fa izahay ato amin'ny masoivoho dia "chef de mission" fotsiny ihany". Nankasitrahan'ireo vahiny tokoa io fiteny io ka zary hery mamporisika hanao ny tsara hatrany.

Eto dia tianay ny mampahatsiaro fa ny fanampiana rehetra voaray tamin'iny hetsika iny dia entina hatrany hanampiana ireo ankizy sahirana iandraiketan'ny Fikambanana any Madagasikara. Koa dia mamerina ny fisaorana eram-po eran-tsaina. Onera be daholo ny laninareo ho azy ireo tompoko.

Ny mpikambana ao amin'ny Tetezana Onlus, Roma.

Ny sary sy ny horonanantsary dia efa milahatra ao amin'ny pejin'ny Tahirintsary : Andro I sy Andro II

Ny Fikambanana "Tetezana Onlus" sy ireo vondrona isan-tsokajiny eto Italia dia manasa anareo am-panajana hanotrona ny hetsika karakarainay ny asabotsy 13 jiona manomboka amin'ny 4 ora sy sasany tolakandro, sy ny alahady 14 jiona manomboka amin'ny 1 ora tolakandro eny amin'ny Via Firenze 38, Roma (foiben'ny Chiesa Metodista).

Ny fiainampiainantsika Malagasy eto Italia - mpianatra, mpiasa, renim-pianakaviana, fikambanana, sns - no ho resahana sy hasongadina amin'io fotoana io. Mba ho fanehoana ny maha-Malagasy antsika dia iangaviana indrindra mba samy hiezaka hanao fitafiana malagasy isika. Asao ny namana tompontany sy avy amin'ny firenen-kafa.

Na ny asabotsy na ny alahady dia samy 10 euro ny fandraisana anjara. Fa araka ny fandrindrana dia tsy mandoa fandraisana anjara isika Malagasy ny asabotsy fa mba angatahana an-tànan-droa hivatsy zavatra azo aroso amin'ny "aperitivo solidale" (ohatra : mofo anana, nems,  sambos, mofo baolina, mofo akondro, ... )

Ny alahady kosa dia fiaraha-misakafo - "pranzo di solidarietà" - ka amin'io isika vao hanome ny fandraisana anjara 10€.

Manantena ny fahatongavantsika maro sy ny fandraisantsika anjara mavitrika amin'ireo andro roa ireo. Mifampilazà fa somary efa taratara vao voampita ny hafatra ka ialana tsiny.

Toy ny mahazatra dia hisy ny fankalazana ny Fetin'ny Fahaleovantena eto amin'ny Masoivohon'i Madagasikara eto Roma, via Riccardo Zandonai, 84 ny sabotsy 27 jiona 2015 manomboka amin'ny 6 ora sy sasany hariva ka hanasana antsika rehetra.

Mifampilazà !

Takelaka