You are here

Fiatahana masina eny Pietravolta (MO) amin'ny volana jiona

Nampidirin'i superadmin ny Sat, 17/02/2018 - 21:18

Hisy fiatahana masina (laretirety) karakaraina ho an'ny Malagasy rehetra manerana an'i Italie, na pretra na relijiozy na lahika, eny Pietravolta (Modena), ny 11 ka hatramin'ny 20 jiona ho avy izao. Izany hoe herinandro ao anaty vavaka sy fahanginana tanteraka hotarihin'ny aumônier nasionaly, P. Athanase Rafanoharantsoa.

Tsy misy fiomanana goavana amin'ny ara-pitaovana fa samy manao izay hahatongavany eny an-toerana ny tsirairay na ny vondrona maniry ho avy. Samy mitondra ny lambam-pandriana sy ny kojakojam-pidiovany avy ny isam-batan'olona. Any an-tendrombohitra ny toerana ka tsara ihany koa miomana amin'ny fitafy mafanafana fa mangatsiatsiaka ny hariva sy ny maraina.

Ny sakafo dia atolotry ny masera eny an-toerana fa dia isika izany no samy mijery izay fantatsika sy zakantsika ho fandraisana anjara.

Izay manam-pikasana ho avy dia afaka mangataka misoratra anarana amin'i Sr françoise, farafahatarany ny volana Marsa mba hahafahana mampahafantatra mialoha an-dry Masera Casa della Carità hampiantrano antsika. Izy ihany koa no ifandraisantsika raha mila fanazavana fanampiny. Dia mba iangaviana isika hampita ny hafatra amin'ireo namana hafa.

Sr Françoise, Franciscaine de l'Immaculée de Palagano (Modena) :
- tel : +39 333 894 1338
- mail : francoisesfip@gmail.com