You are here

Famelabelaran-kevitra ataon'ny talen'ny Fikambanana Mpiara-mamaky ny Baiboly.

Nampidirin'i Rondro ny Thu, 14/06/2018 - 06:32

 

Manasa antsika ny alahady 17 jiona ho avy izao amin'ny fotoam-bavaka sy famelabelaran-kevitra izay tarihin'Andriamatoa Mamy Rakotolehibe mivady, Tale Nasionaly ny Fikambanana Mpiara-mamaky ny Baiboly, izay hatao ao amin'ny fiangonana protestanta, via IV novembre 107, manomboka amin'ny 2 ora sy sasany tolakandro.

Mialoha ny fotoana anefa dia hisy ny fiaraha-misakafo izay efa fanaon'ny fiangonana, ka manomboka amin'ny 12 ora sy sasany antoandro izany, ka samia mitondra sakafo ifampizarana.

Dia manantena ny fahatongavantsika rehetra, ary entanina koa isika mba hanasa ny namantsika malagasy hafa.