You are here

Fanasana fifampiarahabana taom-baovao 2019 any Italia avaratra.

Nampidirin'i Rondro ny Mon, 14/01/2019 - 21:30

 

Ity izany ny  hafatra nampitain'i Sr Françoise, isan'ny manentana ny Malagasy any amin'ny faritr'i Reggio-Emilia any. Ka dia manantena fa ho maro ianareo no hifanotrona amin'io asabotsy 26 janoary io.

Mba hahamora ny fikarakarana dia fiaraha-misakafo any amin'ny Pizzeria no hatao rehefa vita ny Sorona Masina sy ny dinidiniky ny mpianakavy ka amin'izay samy mba manefa ny laniny ny tsirairay dia tsy ho betsaka ny fotoana lany (hevitra mety yes ) - Efa ireo anaty fanasana ireo avokoa ny laharana finday ho an'izay mila fanazavana fanampiny.

Dia mirary soa ho an'ny taona 2019 ho antsika rehetra koa izahay !