You are here

Andro natokana ho an'i Madagasikara any Torino : 12 mey 2018

Nampidirin'i Rondro ny Thu, 26/04/2018 - 20:43

 

Toy ny isan-taona dia amin'ny 12 mey 2018 ho avy io no ho tontosaina any Torino ny "Andro natokana ho an'i Madagasikara - Giornata del Madagascar" - izay hiresahana indrindra indrindra momba ny zavaboary sy ny loza mitatao azy ao Madagasikara, ny mponina sy ny  fivoarany ihany koa. Izany hoe Andro natokana hanomezana lanja ny siansa sy ny fomban-drazana.

Ao anatin'ny fandaharam-potoana izay tarihin'i Franco Andreone dia hisy valan-dresaka ho ataon'i Federicco Pezzota mitondra ny lohahevitra  "Avventure mineralogiche del Madagascar", ny  fampahafantarana ny boky nosoratan'i Riccardo Bononi, "Une belle vie, une belle mort", fijerena sarimihetsika, fampiharana fahaiza-mahandro iarahana amin'ny Fikambanana Malagasy Miray (Ma.Mi) ary faranana amin'ny seho sehatra ataon'i Olga del Madagascar avy ao Torino sy Aka Zizi avy any Suisse.

Koa ao amin'ny Casa del Quartieri Mirafiori Sud, via Modesti Panetti 1, izany ny fotoana amin'ny asabotsy 12 mey manomboka amin'ny 4 ora tolakandro ka hatramin'ny 11 ora alina.