You are here

Fandraisan'ny kardinaly ny paroasy San Gregorio Barbarigo notendren'ny Papa ho azy.

Nampidirin'i Rondro ny Mon, 24/12/2018 - 12:34

 

 

Tontosa omaly ny fandraisan'ny Kardinaly Désiré Tsarahazana ny paroasy notendren'ny Ray Masina ho azy dia ny eglizin'i San Gregorio Barbarigo eto Roma. Ny fanendrena azy ho tompon'io paroasy io dia fanamafisana ny maha-mpiara miasa akaiky azy amin'ny Papa fa tsy hoe mijanona eto Roma hiasa izy akory, araka ny ahiahin'ny maro  mahita ity vaovao ity. Kardinalin'i Madagasikara miasa tanteraka any an-tanindrazana izy.

Hafaliana ho anay olon-tsotra ny nanatrika azy ity satria ankoatra ny fanotronona ny kardinalintsika dia mba nahaizana ny fomba amam-panao amin’ny fotoana toa izao ihany koa. Ny fananan'ireo kardinaly vaovao paroasy iray eto Roma manko dia manamafy ny fifamatorany amin'ny Papa, evekan'i Roma, izany hoe ireo kardinaly mpiara-miasa aminy akaiky dia manana andraikitra ao amin'ny diosezin'i Roma izay iadidiany.

Rehefa niainga avy tany amin’ny sakristia niaraka tamin’ny tompon-draharaha manokana avy amin’ny Vatican (cerimoniere papale) ny kardinaly dia noraisin’ny pretra tompom-paritra teo am-baravarana izay nanolotra azy ny lakroa, norohany ho mari-panajana. Taorian’izay dia niditra namafy rano voahasina ireo kristianina izy ary nifarana tamin’ny fitsofan-drano ny lasapely sy fitsaohana ny Sakramenta Masina.

Vita izany rehetra izany dia natomboka ny Sorona Masina lehibe. Fa nialoha ny nihainoana ny tenin’Andriamanitra dia novakiana am-pahibemaso tamin’ny kristianina ilay atao hoe “Bolla pontificia”, ilay taratasy nanendren’ny Ray Masina azy ho kardinaly sy manambara fa io kardinaly io no tompon’ilay paroasy.

Nandritra ny toriteniny, izay nataony tamin’ny teny frantsay fa nadikan’i  mompera Alain tamin’ny teny italianina, dia notsarovan'i kardinaly ny tanindrazantsika :

Da cinque giorni, il popolo malgascio è andato alle votazioni per eleggere il suo presidente. Siamo nell’attesa del risultato finale di questa elezione. Vi chiedo di pregare affinché il nostro futuro presidente giunga a dare la gioia ai malgasci, cioè a cambiare la condizione di vita delle persone. Nonostante le ricchezze che ci sono in Madagascar, siamo uno dei paesi fra i più poveri del mondo. Il nuovo presidente arrivi a vincere la tentazione del male affinché possa vivere la sua fede cristiana. I candidati in competizione sono tutti e due cristiani”.

Mivavaha ho anay, hoy izy, fa eto am-piandrasana ny valim-pifidianana izahay izao. Mba hahay handresy ny fakampanahin’ny ratsy anie izay lany ho filoha hitantana ny Firenenay mba hahafahany mampanjaka ny finoana maha-kristianina azy satria samy kristianina izy roa mpifaninana.

Rehefa nifarana ny fotoam-pivavahana dia nankany amin’ny sakristia ny kardinaly sy ireo pretra nanotrona novakian'ny Tompon-draharaha avy amin'ny Vatican indray  ny "Bolla di assegnazione del Titolo al cardinale", taratasy fanamarinana ny maha-tompon-toerana azy ary nanao sonia izany ny kardinaly sy ireo pretra rehetra tao vao namonjy ny kristianina tao amin’ny efitra nanaovana fialana hetaheta izy ireo. Niarahaba azy tonga soa ao amin’ny paroasy ny tompon-trano, nankasitraka tamin’ny fandraisana ny kardinaly ary nisaotra ihany koa ny Malagasy  tonga nanotrona azy.

Nahafinaritra sady nafana tokoa ny fandraisan'ireo paroasianina azy/anay tao. Mirary soa ho azy hatrany isika fa tsy mora ny adidy napetraka eo an-tsorony.

 

Ireo sary rehetra dia efa milahatra ato amin'ny tahirintsary toy ny mahazatra : Kardinaly teny amin'ny paroasy San Gregorio Barbarigo