You are here

Fitsidihan'ny Mpanompovavin'Andriamanitra Marthe Hervée teto Roma.

Nampidirin'i Rondro ny Wed, 18/04/2018 - 20:50

Noho ny fitahian'Andriamanitra dia tanteraka soa aman-tsara ny fitsidihan'ny Mpanompovavin'Andriamanitra Marthe Hervée sy Tiana Fanantenana teto Roma ny 12 ka hatramin'ny 16 aprily teo .

Tao anatin'ny fandaharam-potoanany tamin'izany ny namangy ny olona tsy salama sy ireo fianakaviana nangetaheta ny hihaona taminy izy ireo mba hiaraka hivavaka tany an-tokantrano ny andron'ny zoma. Ny Sabotsy kosa dia natokana ho an'ny fampianarana ny fotoana ka tao amin'ny fiangonana protestanta valdezy etsy amin'ny Via IV Novembre no nanaovana izany. Ary mbola tao ihany koa no no niarahana tamin'izy mianaka  ny alahady, izay natomboka tamin'ny fiaraha-misakafo antoandro aloha ary notohizana tamin'ny fotoam-pivavahana ny tolakandro.

Nahafinaritra tokoa ny fihaonana toy izao fa sady nahazo hery ny vatana no nahazo aim-panahy ny mpino. Eto dia manasa sahady ireo izay te hiara-mivavaka amin'ny fiangonana protestanta amin'ny teny malagasy fa ny fihaonana manaraka dia ny alahady 20 may 2018  ao amin'ny fiangonana mahazatra hatrany.  

Ireo sary tamin'izany dia azo jerena ato amin'ny : TAHIRINTSARY