You are here

Fihaonana tamin'andriamatoa Ministry ny Raharahambahiny, Naina Andriantsitohaina.

Nampidirin'i Rondro ny Wed, 12/06/2019 - 22:07

 

Fenofeno ihany moa ny fandaharam-potoanan’Andriamatoa ministry ny Raharahambahiny, Naina Andriantsitohaina, satria ankoatran’ny fandinihana ny hanamafisana ny Fiaraha-miasan’i Italia sy Madagasikara izay isan'ny tena anton-diany,  dia ao koa ireo  fivoriana hoatrehany toy ny ao amin’ny IFAD/FIDA (sampana iray an’ny Firenena Mikambana misahana ny fampiroboroboana ny fambolena), ao amin'ny WFP/PAM (sampana ao amin'ny Firenena Mikambana miady amin'ny hanoanana eran-tany), ny fandraisany anjara amin’ny valandresaka iarahan’ny Ministeran’ny Raharahambahinin’i Italia sy ny “Italia Africa Business Week”, sehatra iray ampivondronana ireo mpandraharaha ara-toekarena afrikana sy italianina.

Kanefa dia isaorana azy feno ny mbola niezahany nanokana takariva iray nihaonana sy nitafatafana tamin’ny zanak’i Madagasikara am-pielezana atý Italie izay notontosaina tamin’ny harivan’ny sabotsy 8 jiona teo, tao amin’ny foiben’ny masoivoho eto Roma.

Ankoatra ny filazalazany ny momba ny raharaham-pirenentsika dia nihaino sy nampanantena ny hijery akaiky ihany koa izy momba ireo fangatahana vitsivitsy nataontsika zanaka am-pielezana.

  • Momba ny pasipaoro dia nilaza izy fa efa anaty ezaka ho ataon’ny fanjakana ny hamatsiana ilay fitaovana fanamboarana izany ho an’ny toerana maro, ka anisan’izany ny eto Italia. Mandrapahatonga izany dia hodinihana akaiky ireo tranga maika sy manahirana.
  • Ho an’ny mpianatra dia nangatahana tao ny hanofanana ireo mpiasa any Madagasikara manao ny taratasy ahafahana mianatra atý Italia satria dia maro no sahirana amin’ny fahazoana ilay taratasy fanampiny ilaina (suppléments des dossiers) fa tsy hain’ny any an-toerana akory ilay izy.
  • Olana iray nivoitra tao koa ny momba ireo miasa amin’ny sambo MSC ka niangaviana ny fanjakana mba hojereny akaiky satria somary tsy manara-dalàna ireo mpiandraikitra any Madagasikara ka mandefa olona hafa amin'ny toeran'izay efa neken’ny orinasa atý Italia. Izany anefa dia mety hanisy olana sy hanimba ny fiaraha-miasa.
  • Ho an’ireo Fikambanana isan-tsokajiny indray dia misokatra ho azy ireo ny varavaran’ny Ministera amin’ny fiaraha-miasa, sy ho an’ireo Malagasy te hody hitondra ny anjara birikiny amin'ny fampivoarana ny tanindrazana, toy ny fananganana orinasa, ny fambolena, sns.

Misaotra ireo Zoky Raiamandreny ao amin’ny Masoivoho - andriamatoa Mpiandraiki-draharaha, Suzelin Ratohiarijaona, sy ireo mpiara miasa aminy akaiky - nanao izay nahatontosana iny fihaonana iny satria faniriana ihany ny an’andriamatoa ministra ny hihaona amintsika fa raha tsy teo izy ireo nanentana niantso antsika dia ho nihafihafy tatý amin’ny sisiny ihany isika.

Dia mandra-pihaona amin’ny Asaramanitra daholo indray o !

 

 

Vitsivitsy ihany ny sary milahatra noho olana kely eo amin'ny lafiny teknika amin'ny tranonkalantsika, fa soa misy ireo mba ho fahatsiarovana kely fotsiny. Azo jerena ato : Fihaonana tamin’ny Ministra