You are here

Fampirantiana saripika ataon'i Patrizia Schifano

Nampidirin'i Rondro ny Fri, 22/02/2019 - 15:01

 

 

Hanomboka amin'ny 26 febroary ka hatramin'ny 3 martsa 2019 dia hisy varotra-fampirantiana saripika, sangan'asan'i Patrizia Schifano eto Roma ka hanasana antsika rehetra hitsidika izany.

"Salama Vazaha, benvenuto ricco straniero" no lohahevitr'izy ity, maneho ny fahitan'ny Malagasy ireo vahiny/vazaha izay miezaka ny te hahalala azy ireo amin'ny alalan'ny fakana sary.

Ny vola azo amin'izany dia hatolotra ny Fikambanana Mondobimbi Onlus ho entiny mikarakara ny tetikasa "Villagio Afaka" any atsimon'ny Nosy izay misahana ny fanabeazana sy fampianarana ankizy miisa 230.

Toerana : "Gelateria Equosolidale Splash, via Eurialo 101 - Roma (Metro A - Furio Camillo na Colli Albani).