You are here

Vaovao

Ho antsika tapaka sy namana rehetra, Hafaliana ho anay Malagasy atý amin'ny faritra avaratr'i Italie no manasa antsika rehetra hiaraka hankalazana aminay ny faha-59 taona ny nahazoantsika ny fahaleovantena. Tongava maro, miandry anareo izahay. Soeur Françoise.tohiny
Manasa antsika indray mba handray anjara amin'ny "Maratona di Roma 5km" amin'ny alahady 7 aprily 2019. Afaka mihazakazaka na koa mitsangatsangana. Ny adidy sy fanatahanjantena ho vita, ny fahafinaretana ho azo Ny vola azo amin'ny vidin'ny tapakila dia alefa manontolo any Madagasikara hatrany... tohiny
Hanomboka amin'ny 26 febroary ka hatramin'ny 3 martsa 2019 dia hisy varotra-fampirantiana saripika, sangan'asan'i Patrizia Schifano eto Roma ka hanasana antsika rehetra hitsidika izany. " Salama Vazaha, benvenuto ricco straniero " no lohahevitr'izy ity, maneho ny fahitan'ny Malagasy ireo vahiny/... tohiny
Araka ny anarany dia miezaka ho tetezana mampifandray an'i Madagasikara sy Italia ny fikambanana Tetezana Onlus . Ny fanabeazana moa no tena ifantohan'ny fikambanana ka ankoatra ny fandraisana an-tànana ny fandefasana an-tsekoly sy fanaraha-maso akaiky ireo ankizy any Madagasikara - izay tsy... tohiny
Vita soa tamin'ny alahady 10 febroary teo ny fety fifampiarahabana amin'izao taona vaovao 2019 izao ka indro ampitaina amintsika eto ny fisaorana avy amin'Andriamatoa Mpiandraiki-draharaha sy ny Mpiara-miasa rehetra eto amin'ny Masoivoho, ho an'ny malagasy mpiray Tanindrazana, na ny teto Roma sy ny... tohiny
Ity izany ny hafatra nampitain'i Sr Françoise, isan'ny manentana ny Malagasy any amin'ny faritr'i Reggio-Emilia any. Ka dia manantena fa ho maro ianareo no hifanotrona amin'io asabotsy 26 janoary io. Mba hahamora ny fikarakarana dia fiaraha-misakafo any amin'ny Pizzeria no hatao rehefa vita ny... tohiny
Noho izao fahatongavan'ny Taona vaovao 2019 izao, hono tompoko, dia indro ny Fiarahabana sy Firariantsoa ho an'ny Malagasy rehetra monina eto Italia.tohiny
Tontosa omaly ny fandraisan'ny Kardinaly Désiré Tsarahazana ny paroasy notendren'ny Ray Masina ho azy dia ny eglizin'i San Gregorio Barbarigo eto Roma. Ny fanendrena azy ho tompon'io paroasy io dia fanamafisana ny maha-mpiara miasa akaiky azy amin'ny Papa fa tsy hoe mijanona eto Roma hiasa izy... tohiny
Ny Fikambanana Tetezana Onlus dia faly manasa ny Malagasy rehetra amin'ny sakafom-pihavanana izay hatao ny zoma 21 desambra amin'ny 6 ora sy sasany hariva ao amin'ny paroasin'i San Stanislao, viale Rolando Vignali 15 (zona Tuscolana/Cinecittà). Ny vola azo amin'izany dia entiny manampy hatrany ireo... tohiny
Indro ampitaina ny fisaorana atolotra ny Malagasy rehetra, indrindra ireo izay tonga maro nanotrona ny fankalazana ny fetim-pirenena notontosaina tamin'ny alahady voalohan'ny volana Jolay lasa teo. Mankasitraka Tompoko. AMBASSADE DE MADAGASCAR ROME- ITALIE Ny sary sy horonana dia efa milahatra ato... tohiny
Heni-karavoana ny kristianina malagasy tamin'iny faran'ny herinandro nanendren'ny Papa Ray Masina ny kardinaly vaovao ho an'i Madagasikara iny. Tsy latsa-danja ny hafaliana ho an'ireo izay afaka niaina izany mivantana teto Roma, tsy ny katolika irery ihany fa rehefa Malagasy. Tonga avy amin'ny... tohiny
Manasa antsika ny alahady 17 jiona ho avy izao amin'ny fotoam-bavaka sy famelabelaran-kevitra izay tarihin'Andriamatoa Mamy Rakotolehibe mivady , Tale Nasionaly ny Fikambanana Mpiara-mamaky ny Baiboly, izay hatao ao amin'ny fiangonana protestanta, via IV novembre 107 , manomboka amin'ny 2 ora sy... tohiny
Efa nambara sy noresahana ombieny ombieny moa fa amin'ny faran'ny volana jiona ity no hampiantso ny " Fivorian'ny Kardinaly " i Papa Fransoa, hanendreny kardinaly vaovao miisa 14 ho mpiara-miasa aminy akaiky ka anisan'izany i Mgr Désiré Tsarahazana , arsevekan'i Toamasina sady Filohan'ny... tohiny
Mialoha ny fankalazana amin'ny fomba ofisialy ny Fetin'ny Fahaleovantena ao amin'ny foiben'ny Masoivoho dia asaina ihany koa isika amin'ny tsinjaka bevata izay hatao ny 23 jiona 2018 ho avy izao eny Fonte Nuova (Nomentana) - Roma. Io amin'ny peta-drindrina avokoa ny fanazavana momba izany. Ilazao... tohiny
Ny Mpiandraiki-draharahan'ny Masoivohon'i Madagasikara sy ny Mpiara-miasa aminy dia faly manasa antsika rehetra mba ho tonga handray anjara aminy fankalazana ny fetim-pirenena izay ho atao amin'ny alahady 01 joaly 2018 , manomboka aminy 4 ora tolakandro , ao amin'ny masoivoho, Via Riccardo Zandonai... tohiny
Amin'ny alahady 1 jolay 2018 ho avy izao, amin'ny 6 ora sy sasany hariva , dia manasa antsika am-pitiavana i mompera Angelo Buccarello, OssT , hiaraka hisaotra an'Andriamanitra amin'ny fankalazany ny faha-50 taona naha-mpisoron'ny Avo azy ao amin'ny eglizy San Rocco, Piazza Padre Trinitari -... tohiny
Toy ny isan-taona dia amin'ny 12 mey 2018 ho avy io no ho tontosaina any Torino ny " Andro natokana ho an'i Madagasikara - Giornata del Madagascar " - izay hiresahana indrindra indrindra momba ny zavaboary sy ny loza mitatao azy ao Madagasikara, ny mponina sy ny fivoarany ihany koa. Izany hoe Andro... tohiny
Noho ny fitahian'Andriamanitra dia tanteraka soa aman-tsara ny fitsidihan'ny Mpanompovavin'Andriamanitra Marthe Hervée sy Tiana Fanantenana teto Roma ny 12 ka hatramin'ny 16 aprily teo . Tao anatin'ny fandaharam-potoanany tamin'izany ny namangy ny olona tsy salama sy ireo fianakaviana nangetaheta... tohiny
Ianareo ao Milan sy ny manodidina dia asaina am-pitiavana hiara-hifaly sy hankalaza ny fetin'ny fahaleovatenan'ny Madagasikara ny sabotsy 23 jiona manomboka amin'ny 8 ora sy sasany alina , ao amin'ny via delle Industrie 17, Settala (MI). Izay mila fanazavana fanampiny na hanao famandrihan-toerana... tohiny
Tontosa soa aman-tsara omaly 15 aprily 2018 ny fanandratana ho Olontsambatra an'i Ramose Lucien Botovasoa tany Vohipeno. Niray fo sy fanahy tamin'ny olona an'arivony maro tany Vohipeno ihany koa ny Malagasy maneran-tany ary isan'ny nanana adidy lehibe nisolo tena an'i Madagasikara teny amin'ny... tohiny

Takelaka