You are here

Vaovao

Ny "Giornata del Madagascar 2012" dia natao indrindra ao anatin'ny Fankalazana ny faha-52 taonan'ny Fahaleovantena, izay irina ho fotoana hanairana sy hamporisihana antsika Malagasy monina eto Italia hanabe voho hatrany ireo tetikasa misahana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana.

INVITO 1 INVITO 2

Koa manasa ny rehetra amin'ireo valandresaka sy fampisehoana artistika. Hisy koa ny sakafo malagasy izay tsy amidy fa raisina an-tànandroa kosa izay foinao, ka ny azo amin'izany dia entina hanampiana ireo zaza any Madagasikara.

Toa izao ny fandaharam-potoana :

14.00 : Saluti istituzionali - Regione Piemonte, Museo Regionale di Scienze Naturali, Comune di Torino
14.15 : Saluti del Presidente dell’Associazione Malagasy Miray

NATURA
Moderatore: Franco Andreone
14.30 : G. Bonadonna, M. Gamba, C. Giacoma, E. Miasa, A.Ouledi, J. Randrianodiasana, H. Rasamimanana, J. Ratsimabazafy, V. Torti (Università di Torino) : "Cooperazione, sviluppo e ricerca in Madagascar e Comore"

14.45 : E. Palagi (Museo di Storia Naturale e del Territorio, Calci di Pisa) : "Mercanteggiare in foresta: a lezione di economia dai lemuri del Madagascar"

15.00 : F. Andreone (MRSN e ASG) : "L’Amphibian Specialist Group in Madagascar, una sintesi delle attività e delle azioni di conservazione"

15.15 : D. Sanchez (Bioparco Zoom) : "Il Madagascar a Zoom"

15.30 : R. Camoletto (MRSN) : "Piante del Madagascar: storie affascinanti"

15.45 : L. Merzagora (ATI Euphon Communication), F. Andreone (MRSN) : "Raccontare le relazioni in un museo: la foresta del Madagascar"

16.00 : M. Tezza (Parco Natura Viva) : L’impegno del PNV per l’educazione alla conservazione del Madagascar"

16.15 : Intervallo con degustazione offerta dalla Venturato Caffé

VOLONTARIATO
Moderatore: Paolo Mazza

17.00 : C. Sonego (Tetezana Onlus) : "La promozione dei diritti dei bambini, l’impegno di Tetezana"
17.15 : R. Durando (Anemon Onlus) : "Anemon Onlus e l’Hopital Henintsoa a Vohipeno"

17.30 : R. Volantsoa (sito Malagasy eto Italia) : "La comunità malgascia in Italia"

18.45 : P. Marchi, M.O. Sohantenaina, J. Tema (Concorso letterario nazionale Linguamadre) : "Ripensare il mondo al femminile: le autrici del Concorso Lingua Madre dal Madagascar"

19.00 : G. Schintu (Un seme per crescere Onlus) : "Immagini del Madagascar. Come un fotografo aiuta un paese e un popolo"

19.15 : R. Arione (Kiwanis Torino) : "II service di Kiwanis in Madagascar"

19.30 : L. e F. Pagani (Amici di Ampasilava) : "Hopitaly Vezo di Andavaloaka"

20.00 : Degustazione di piatti tipici del Madagascar e presentazione materiale artigianale
21.00 : Concerto per il Madagascar con la cantante Olga del Madagascar e il DJ Papa Fall

LOCANDINA 

FLYER 2

Ny Kanto sy Mevan'i Madagasikara

(KA.ME.MA)

miaraka amin'ny Fianakaviamben'ny Trinitera ary ny Antoko  mpihiran'ny Ankohonana katolika eto Roma,

dia manasa anareo am-pitiavana hanatrika ny "Antsam-panahy" ataon'izy ireo  ny alahady 1 jolay 2012 amin'ny 3 ora tolakandro (15h) ao amin'ny Bazilikan'i San Crisogono, viale Trastevere 47, Roma 

******************************

KAMEMA - 1 luglio 2012

Ny KOMITIN'NY FFKM eto Roma dia faly mampandre sy miantso ny Malagasy rehetra, fa hotanterahina amin'ny Alahady faha 24 Jiona 2012 ho avy izao, amin'ny 11 ora sy sasany maraina ny FANOMPOAM-PIVAVAHANA IRAISAM-PINOANA sy ho FISAORANA sy FANOMEZAM-BONINAHITRA AN'ANDRIAMANITRA ary ho FANGATAHAM-PITAHIANA ho an'ny Tanindrazana, ho enti-mankalaza ny "FETIN'NY 26 JIONA".
Ny toerana dia ao amin'ny Via del Seminario n. 120 - (Collegio San Roberto Bellarmino) 00186 Roma. 
           
Dia manantena ny fahatongavantsika maro tompoko! Ary araka ny fanaon-tsika dia aza adino ny mivimbina tsakitsaky sy zava-pisotro  hiaraha-miala hetaheta.
 
                                                       Ny komitin'ny FFKM eto Roma

Ramatoa
Mpiandraiki-draharaha eto anivon'i Masoivohon'i Madagasikara eto Roma sy ireo
mpiara miasa aminy dia faly manasa ny Malagasy Mpiray Tanindrazana
eto Italia mba hiaraka hankalaza ny faha-52 taona ny Fahaleovantenam-pirenena amin'ny
Asabotsy 30 jona 2012, manomboka amin'ny fito ora hariva, ao
amin'ny Masoivohon'i Madagasikara, Via Riccardo Zandonai 84 /a Roma. 

26 huin

Ny Fikambanana G.T.M. dia manasa ny be sy ny maro mba ho tonga hiara-hikorana amin'ny Fetim-pirenena Malagasy ny Asabotsy 30 Jiona 2012 ao Milan izay hanomboka amin'ny 4 ora tolakandro ka hatramin'ny 2 ora maraina. Iangaviana ny rehetra mba hiezaka ho tonga ara-potoana.
Ny fandaharana sy ny antsipirian'ny lanonana dia voalaza etsy ambany.
Miandry ny fahatongavanareo maro!
Amim-pitiavana!
Ny Birao  

Ny fanazavana fanampiny dia azo angatahana amin'i :

Andry: 339 8820892

Saoly: 334 9002038 

Louise: 335 8382871

GTM 26 juin

Manomboka androany 29 mey 2012 no hiakatra an-kianja ny ekipa malagasy amin'ny Mundialido2012.

Toa izao ny fandaharam-potoan' ny fifanintsanana hatrehan'i Madagasikara. 

Azonareo arahana ihany koa amin'ny :  "Il meglio del Mundialido" su Babel (SKY ch 141).

- 29 Mai 2012 (21:00): Madagascar - Romania (campo "Atletico 2000", via Centocelle 100)

- 03 Juin 2012 (09:30): Madagascar - Rapp. Rom (Campo "Atletico 2000", via Centocelle 100)

- 10 juin 2012 (09:30): Madagascar - Perù (Campo "Atletico 2000", via Centocelle 100))

(Loharanom-baovao : Mundialido 2012)

Ny Fikambanana Tetezana Onlus dia manasa ny rehetra amin'ny sakafom-pianakaviana karakarain'izy ireo entiny hiatrehany ny adidy miandry azy ireo any Madagasikara, dia ny fanampiana indrindra indrindra ireo ankizy madinika amin'ny fandehanana any an-tsekoly izany.

Miandry anareo ary izy ireo ao amin'ny efitrano malalaky ny "Istituto Figlie della Divina Provvidenza Elena Bettini " etsy Testaccio, via Ginori 2,  ny alahady 10 jiona 2012,  manomboka amin'ny 12 ora sy sasany.

Taomy ny namana rehetra fa sady fotoana hiarahana mifaly no hanaovana adidy io andro io.
Misaotra indrindra.

serata2

Cibo-danze-e-cultura

Ho an'ny Havana aman-tsakaiza rehetra!

Ny Fikambanana "G.T.M. - Gasy Tsy Manavaka-" dia nasain'ny Associazione Poetica del Territorio mba handray anjara amin'ny Fihetsiketsehana ara-kolotsaina izay hatao any ARNAD (Val d'Aosta), ao amin'ny Sala Dinus Donavit Hall della Casa Bertolin, loc. Champagnolaz n. 10, nyAlahady 13 Mai 2012 manomboka amin'ny 10.30 maraina.

Koa dia asaina ny be sy ny maro hanatrika ny Fifanakalozana ara-kolotsaina Malagasy sy Valdostani!
Raha misy te-hahafantatra bebe kokoa momba ny Fihetsiketsahana dia antsoy ny finday laharana 335 8382871 (Louise), na 338 1871806 (Lydie) na koa 334 9002038(Saoly).
Misaotra Tompoko!

Ny Biraon'ny G.T.M.

Fanoroan-dàlana :

mappa bertolin

Ny " communauté protestante francophone " eto Roma dia faly mampandre sy manasa antsika rehetra fa ny bazary fanaony isan-taona dia hotanterahina ny Alahady 6 mai 2012 hoavy izao, ao amin'ny efitrano malalaky ny fiangonana
   " VALDESE DI PIAZZA CAVOUR ", via Dionigi 59 -  00193 Roma.

Ny fotoana fanombohana dia amin'ny ora: 12,30. Ny fandraisana anjara amin'ny sakafo dia 12 euros.
 
Dia misaotra antsika mialoha ary manantena ny fahatongavantsika maro ho enti-mampandroso ny asan'Andriamanitra.
 
Ny  Komity.

Tonga amin'ny andiany faha-21 ny Festa dei Popoli izay hankalazaina ny alahady 20 mai 2012 ho avy izao eo an-kianja malalaky ny bazilikan'i San Giovanni in Laterano toy ny mahazatra

"L'ospitalità : una festa dei popoli" no lohahevitra entin'ny Festa dei Popoli 2012, hanasongadinana ny hevitry ny teny hoe "mandray vahiny" na ho an'ny mpampiantrano na ho an'ny ampiantranoana. Satria eo amin'ny lafin'ny fifindra-monina dia ilaina tokoa ny fampianarana ny tompon-trano handray vahiny ary toa izany koa ny fahaizana ampiantranoana. Izany hoe fahaizana mampifandanja ny rariny na ny ara-dalàna sy ny fandraisana vahiny.

Ankoatra ny lafiny finoana dia FETY tokoa ny FESTA dei POPOLI hihaonana, hifaliana, hifampizarana na ara-kolotsaina, na ara-sosialy, sns, ary hifankafantarana bebe kokoa mba hanamora izay fahaizana mampiantrano sy ampiantranoana izay, satria izany no ezaky ny Fiangonana katolika amin'ity hetsika ity, miaraka amin' ireo eglizy isam-pirenena (chiese etniche) rehetra mivondrona ao amin'ny Vicariato di Roma - ka anisan'izany ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo.

Handray anjara amin’io i Madagasikara ka asaina daholo isika eto Roma sy ny manodidina amin'io andro io.

Ny fifampizarana ny andraikitra dia toa izao : ny trano heva dia adidin’ny Fikambanana Tetezana Onlus, ny anjarantsika amin’ny litorjia dia iandraiketan’ny Ka.Me.Ma, ary ny vakodrazana eny ambony lampihazo kosa dia raisin’ny ankizy eny Tivoli.

Raha azo atao dia samia mba manao fitafy maha-malagasy : lambaoany, satroka, lamba fisampina, sns.

Samia koa mba mivatsy sakafo maivana iarahantsika mizara ery am-pototry  ny bazilika toa ny mahazatra – ho an’izay te hanandrana sakafon’ireo firenena hafa moa dia misy amidy amin’ny  vidiny mirary ao. Misy ihany koa ny tapakilan'ny tombolà (2,50 €) any amin'ny aumônier ho an'izay mahita azy alohan'ny alahady 13 mai, na koa mbola hamidin'ireo mpiandraikitra eny an-toerana amin'ny andron'ny fety.

Toa ny isan-taona dia hatomboka amin'ny sorona masina lehibe tarihin'i Mgr Guerino di Tora ao amin'ny bazilika ny fotoana amin'ny mitataovovonana. Hisy ny sakafo izay mampiavaka ny firenena tsirairay avy ao amin'ny vidiny mirary, ary ny tolakandro kosa dia hisy ny fampisehoana dihy sy vako-drazana eny ambony lampihazo, ary misy ihany koa ireo dinidinika sy ketrik'asa isan-tsokajiny. Hamaranana ny fotoana kosa  ny fisarihana ny tombolà.

Koa tongava maro fa eny indray no Ambohipihaonantsika amin'io, ka sady manao adidy no miala voly.

festa dei popoli

Olga1

Tonga soa ny rakikira "Bois de rose" an'i Olga del Madagascar, CD audio notontosaina teto Italia, ka efa azo afarana sy vidiana manomboka amin'ny alatsinainy 30 aprily izao.

Ampatsiahivina fa ny vola azo amin'ny fivarotana io rakikira io dia natao hanohanana ny tetikasa Tsiry, izay misahana indrindra ny fitsinjovana io hazo sarobidy io izay zary trandrahana amin'ny tsy ara-dalàna ankehitriny, sy ho fiarovana ihany koa ny  tontolo iainana sy ny ala any Madagasikara.

Izay mila fanazavana fanampiny sy maniry hividy azy io (10 €) dia afaka manoratra amin'i :

- Franco Andreone : franco.andreone@gmail.com
http://www.francoandreone.it )

- Olga del Madagascar : olga.delmadagascar@gmail.com
http://www.facebook.com/olgadelmadagascar )

Ny rakikira "bois de rose" VCD kosa izay natao tany Madagasikara kanefa tsy nifanentana tamin'ny tsena italianina ka nahatonga azy ho natao CD dia hitanareo ao amin'ireto toerana ireto : Hotel Chalet des Roses, Ivoloina (Tamatave), Centre ValBio (Ranomafana), Maroantsetra (Cybercafé), Andapa (Bazar sy Hotel Vatosoa), Tsiry Project (Manompana Tamatave sy Ambositra).

Franco Andreone sy Olga del Madagascar ary ireo mpiara-miasa aminy  akaiky dia manolotra fisaorana ireo mpanohana azy amin'izay ataon'izy ireo : Amico Museo Scienze Naturali, acquario di genova, Fondazione Bioparco Roma, Zooh Zurich, Malagasy Eto Italia, Madagascar Fauna Group, Saint Louis Zoo, Zoom Torino, Tsiry, Il Tucano Viaggi, Progetto Humanitas Onlus, AIM, Parco Natura Viva, A Conservation Strategy for the Amphibians of Madagascar, Un seme per crescere, Centre ValBio, WWF Italia

Manentana ny rehetra fa asa soa atao ho an'i Madagasikara ihany koa izao...

_______________

The album "Bois de rose" is finally ready for release as a CD Audio in Italy. We apologize for the delay, but due to the fact that we had to redo all the production in Italy (the VCD was printed in Madagascar but did not suit the Italian market).

As said, this is a CD that part of the income will go to the preservation of the Bois de Rose (Dalbergia), in Madagascar, through the Project Tsiry and to the conservation of nature and forests of Madagascar.

For information and to book the CD, hand a message to :
- Franco Andreone : franco.andreone@gmail.com
http://www.francoandreone.it )

- Olga del Madagascar : olga.delmadagascar@gmail.com
http://www.facebook.com/olgadelmadagascar )

The VCD album will be sold in main points in Madagascar, such at the Hotel Chalet des Roses, at Ivoloina (Tamatave), Centre ValBio (Ranomafana), Maroantsetra (Cybercafé), Andapa (Bazar et Hotel Vatosoa), Tsiry Project (Manompana Tamatave and Ambositra).

Thanks to all sponsors: Amico Museo Scienze Naturali, acquario di  genova, Fondazione Bioparco Roma, Zooh Zurich, Malagasy Eto Italia, Madagascar Fauna Group, Saint Louis Zoo, Zoom Torino, Tsiry, Il Tucano Viaggi, Progetto Humanitas Onlus, AIM, Parco Natura Viva, A Conservation Strategy for the Amphibians of Madagascar, Un seme per crescere, Centre ValBio, WWF Italia

scansione0002

Takelaka