You are here

Tonga ny rakikira Bois de Rose an'i Olga del Madagascar

Nampidirin'i superadmin ny Thu, 26/04/2012 - 10:56

Olga1

Tonga soa ny rakikira "Bois de rose" an'i Olga del Madagascar, CD audio notontosaina teto Italia, ka efa azo afarana sy vidiana manomboka amin'ny alatsinainy 30 aprily izao.

Ampatsiahivina fa ny vola azo amin'ny fivarotana io rakikira io dia natao hanohanana ny tetikasa Tsiry, izay misahana indrindra ny fitsinjovana io hazo sarobidy io izay zary trandrahana amin'ny tsy ara-dalàna ankehitriny, sy ho fiarovana ihany koa ny  tontolo iainana sy ny ala any Madagasikara.

Izay mila fanazavana fanampiny sy maniry hividy azy io (10 €) dia afaka manoratra amin'i :

- Franco Andreone : franco.andreone@gmail.com
http://www.francoandreone.it )

- Olga del Madagascar : olga.delmadagascar@gmail.com
http://www.facebook.com/olgadelmadagascar )


Ny rakikira "bois de rose" VCD kosa izay natao tany Madagasikara kanefa tsy nifanentana tamin'ny tsena italianina ka nahatonga azy ho natao CD dia hitanareo ao amin'ireto toerana ireto : Hotel Chalet des Roses, Ivoloina (Tamatave), Centre ValBio (Ranomafana), Maroantsetra (Cybercafé), Andapa (Bazar sy Hotel Vatosoa), Tsiry Project (Manompana Tamatave sy Ambositra).

Franco Andreone sy Olga del Madagascar ary ireo mpiara-miasa aminy  akaiky dia manolotra fisaorana ireo mpanohana azy amin'izay ataon'izy ireo : Amico Museo Scienze Naturali, acquario di genova, Fondazione Bioparco Roma, Zooh Zurich, Malagasy Eto Italia, Madagascar Fauna Group, Saint Louis Zoo, Zoom Torino, Tsiry, Il Tucano Viaggi, Progetto Humanitas Onlus, AIM, Parco Natura Viva, A Conservation Strategy for the Amphibians of Madagascar, Un seme per crescere, Centre ValBio, WWF Italia

Manentana ny rehetra fa asa soa atao ho an'i Madagasikara ihany koa izao...

_______________


The album "Bois de rose" is finally ready for release as a CD Audio in Italy. We apologize for the delay, but due to the fact that we had to redo all the production in Italy (the VCD was printed in Madagascar but did not suit the Italian market).

As said, this is a CD that part of the income will go to the preservation of the Bois de Rose (Dalbergia), in Madagascar, through the Project Tsiry and to the conservation of nature and forests of Madagascar.

For information and to book the CD, hand a message to :
- Franco Andreone : franco.andreone@gmail.com
http://www.francoandreone.it )

- Olga del Madagascar : olga.delmadagascar@gmail.com
http://www.facebook.com/olgadelmadagascar )


The VCD album will be sold in main points in Madagascar, such at the Hotel Chalet des Roses, at Ivoloina (Tamatave), Centre ValBio (Ranomafana), Maroantsetra (Cybercafé), Andapa (Bazar et Hotel Vatosoa), Tsiry Project (Manompana Tamatave and Ambositra).

Thanks to all sponsors: Amico Museo Scienze Naturali, acquario di  genova, Fondazione Bioparco Roma, Zooh Zurich, Malagasy Eto Italia, Madagascar Fauna Group, Saint Louis Zoo, Zoom Torino, Tsiry, Il Tucano Viaggi, Progetto Humanitas Onlus, AIM, Parco Natura Viva, A Conservation Strategy for the Amphibians of Madagascar, Un seme per crescere, Centre ValBio, WWF Italia

scansione0002