You are here

Festa dei Popoli, 21 taona niarahana.

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 30/04/2012 - 19:55

 

Tonga amin'ny andiany faha-21 ny Festa dei Popoli izay hankalazaina ny alahady 20 mai 2012 ho avy izao eo an-kianja malalaky ny bazilikan'i San Giovanni in Laterano toy ny mahazatra

 

"L'ospitalità : una festa dei popoli" no lohahevitra entin'ny Festa dei Popoli 2012, hanasongadinana ny hevitry ny teny hoe "mandray vahiny" na ho an'ny mpampiantrano na ho an'ny ampiantranoana. Satria eo amin'ny lafin'ny fifindra-monina dia ilaina tokoa ny fampianarana ny tompon-trano handray vahiny ary toa izany koa ny fahaizana ampiantranoana. Izany hoe fahaizana mampifandanja ny rariny na ny ara-dalàna sy ny fandraisana vahiny.

 

Ankoatra ny lafiny finoana dia FETY tokoa ny FESTA dei POPOLI hihaonana, hifaliana, hifampizarana na ara-kolotsaina, na ara-sosialy, sns, ary hifankafantarana bebe kokoa mba hanamora izay fahaizana mampiantrano sy ampiantranoana izay, satria izany no ezaky ny Fiangonana katolika amin'ity hetsika ity, miaraka amin' ireo eglizy isam-pirenena (chiese etniche) rehetra mivondrona ao amin'ny Vicariato di Roma - ka anisan'izany ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo.

Handray anjara amin’io i Madagasikara ka asaina daholo isika eto Roma sy ny manodidina amin'io andro io.

 

Ny fifampizarana ny andraikitra dia toa izao : ny trano heva dia adidin’ny Fikambanana Tetezana Onlus, ny anjarantsika amin’ny litorjia dia iandraiketan’ny Ka.Me.Ma, ary ny vakodrazana eny ambony lampihazo kosa dia raisin’ny ankizy eny Tivoli.

 

Raha azo atao dia samia mba manao fitafy maha-malagasy : lambaoany, satroka, lamba fisampina, sns.

 

Samia koa mba mivatsy sakafo maivana iarahantsika mizara ery am-pototry  ny bazilika toa ny mahazatra – ho an’izay te hanandrana sakafon’ireo firenena hafa moa dia misy amidy amin’ny  vidiny mirary ao. Misy ihany koa ny tapakilan'ny tombolà (2,50 €) any amin'ny aumônier ho an'izay mahita azy alohan'ny alahady 13 mai, na koa mbola hamidin'ireo mpiandraikitra eny an-toerana amin'ny andron'ny fety.

 

Toa ny isan-taona dia hatomboka amin'ny sorona masina lehibe tarihin'i Mgr Guerino di Tora ao amin'ny bazilika ny fotoana amin'ny mitataovovonana. Hisy ny sakafo izay mampiavaka ny firenena tsirairay avy ao amin'ny vidiny mirary, ary ny tolakandro kosa dia hisy ny fampisehoana dihy sy vako-drazana eny ambony lampihazo, ary misy ihany koa ireo dinidinika sy ketrik'asa isan-tsokajiny. Hamaranana ny fotoana kosa  ny fisarihana ny tombolà.

Koa tongava maro fa eny indray no Ambohipihaonantsika amin'io, ka sady manao adidy no miala voly.

 

 

festa dei popoli