You are here

Vaovao

Ny alarobia 25 aprily 2007 amin’ny 6 ora hariva ny “1° Gala della Fisarmonica” karakarain’ny “Autocarrozzeria Saffiro Nando” ao Terni, miaraka amin'ny fikambanana Tetezana onlus.

Takarivam-piraisankina

Amin’ny alarobia 25 aprily 2007, hanomboka amin’ny 6 ora hariva,  mandritra ny fankalazana ny “1° Gala della Fisarmonica” karakarain’ny “Autocarrozzeria Saffiro Nando”, ny fikambanana Tetezana onlus  dia hampahafantatra ny tetikasany momba ny fanampiana ireo tovovavy miteraka tsy manambady any Madagasikara. Hiendrika fialamboly hanehoana indrindra firaisan-kina ity takariva ity noho izany, ka hanasana antsika rehetra.

Tsy hisy ny vidim-pidirana, fa raisina am-pitiavana kosa ny falalahan-tanan’ireo izay terem-panahy hanampy ara-bola ny tetikasa “MAMME IN – FORMAZIONE” izay kasaina hatomboka  any Ambanja amin’ny volana jolay 2007.

Ny toerana dia ao Montecastrilli (Terni)[ fivoahana E 45 amin’ny  A1 mampifandray Milan-Naples.]

Ho an’ireo izay  tsy handeha amin’ny fiarakodia manokana dia afaka mandray ny fiaran-dalamby mankany Terni.

Ny fanazavana fanampiny dia azo anontaniana amin’ny 32000632873.

Manolotra fisaorana feno mialoha.

Araka ny hitan’ny maro ao amin’ny tahirintsary dia nankalaza ny fitsingerenan’ny taona nahaterahany Andriamatoa Paraina, lehiben’ny masoivohontsika, tamin’ny asabotsy 14 avrily lasa teo. Tsy izy irery moa no tompom-pety fa tao koa ny zanany lahimatoa sy i Emma, ary dia fetim-pianakaviana tsotra dia tsotra no nanaovana izany.

Saingy tamin’io fotoana io indrindra no nanararaotiny nampahafantarana ny rehetra tao sy ny vahoakany eto Italie ny fanendrena azy ho lehiben’ny masoivohom-pirenentsika any Dakar, Sénégal, amin’ny volana jolay ho avy izao.

Mbola misy telo volana moa hiarahantsika aminy eto, kanefa dia fisaorana eram-po eran-tsaina sahady no atolotray eto amin’ny “Malagasy eto Italia” ny amin’izay efa-taona niarahany niriaria tamintsika teto izay, fa tena Ray aman-dreny tokoa izy tamintsika, tena niaraka tamin’ny vahoakany, na tamin-kafaliana na tamin’ny fahoriana, nanefa ny adidiny amin’ny fiahiana sy fanotronana hatrany ny Malagasy eo amin’ny toerana nanendrena azy.

Misaotra Monsieur l’Ambassadeur.

Rondro

Jereo koa : Fisaorana an'i S.E. Paraina

Hanoratra ao amin'ny boky volamena: Tsindrio eto  

Traduzione in Italiano : Clicca quì

Hankalazaina amin’ny 20 mey  2007 eny amin’ny Basilikan’i San Giovanni in Laterano ny andiany faha-16 amin’ny “Festa  dei Popoli”, karakarain’ny Fikambanana “Missionari Scalabriniani, izay handraisan’ireo firenena rehetra manana Fiangonana katolika mitsangana eo anivon’ny diosezin’i Roma,  ka anisan’izany ny paroasintsika malagasy, Victoire Rasoamanarivo. 

  • Hisy ny lamesa lehibe izay tarihin’i Mgr. Mauro Parmeggiani, amin’ny 12 ora antoandro, ka isika malagasy dia manana anjara hira iray mandritra izany.
  • Hisy ny fampisehoana ny tao-zavatra mampiavaka ny firenena tsirairay avy ka hampiseho ny asa-tànana malagasy koa isika.
  • Ao ihany koa ny fampisehoana ny vako-drazana, ka ny Fikambanana Zanak’i Gasikara no hiakatra an-tsehatra hisolo tena antsika malagasy.
  • Hisy fifanakalozan-kevitra samihafa, sakafo karakarain’ireo firenena isan-karazany mpandray anjara, …
  • Ary farany hisy ny Tombolà izay amidy 2 euro, ka ny loka mety ho azo amin’izany dia azonareo jerena amin’ilay endriky ny tapakila etsy ambany. Ramatoa Filohan’ny fiangonana, Ramatoa Paraina Josiane, moa no mitazona sy manaparitaka ny anjarantsika malagasy, ka raha sendra mandalo eny amin’ny masoivohontsika ianareo dia afaka mangataka hihaona aminy vetivety, na miantso azy, raha te-handray anjara amin’ny fividianana io Tombolà io, satria ny lamesa hihaonantsika manaraka dia amin’ny 6 mey izao, kanefa ireo tapakila raha misy tsy lafo dia tsy maintsy averina amin’ny 15 mey. 

Entanina daholo isika Malagasy eto Roma sy any ivelany handray anjara amin’izany andro izany, fa sady andro hihaonana hifaliana izy io no hanaovana adidy izay tsy an’olon-dratsy.

Misaotra  betsaka.

Tontosa an-tsakany sy an-davany ny fankalazana ny faha-enimpolo taona nitrangan’ny raharaha 29 martsa 1947 teto Roma, tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana.

Andriamatoa Sambiheviny, Loholona faharoa ao amin’ny Masoivohom-pirenentsika, no nanokatra ny fotoana tamin’ny fanazavana fohy fa nafonja momba ny zava-nitranga tamin’io fotoana io tany amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy , ary nampatsiahy fa tsy izay ihany no tsaroana sy ankalazaina isaky ny 29 martsa fa ny tolona rehetra nataon’ireo tia tanindrazana sy ny rà latsaka nentina nitakiana ny Fahaleovantena malagasy raha mbola nozanahin’ny Frantsay isika na tamin’ny andron’ny Menalamba sy ny Vy Vato Sakelika izany, na tamin’ny andron’ny MDRM tamin’ny 1947 sy izay nitranga taorian’izany.

Ny Fotoam-pivavahana moa dia notarihin’ny tompon’andraikitra iray avy, avy amin’ny Fiangonana protestanta sy ny paroasy katolika eto Roma. Ny rakitra natao kosa, izay teo amin’ny 200 € teo ho eo, dia natolotra ny mpiandraikitra ny Fitantanam-bola ao amin’ny Masoivoho ho fandraisana anjara amin’ny fanampiana ny traboina ny any an-tanindrazana nandritra ireo rivo-doza nifanesy nandrava faritra maromaro any Madagasikara.

Andriamatoa Paraina, lehiben’ny Masoivoho kosa rehefa izany, dia mbola niarahaba ny Malagasy sy nisaotra ireo tafavory. Teo koa no mbola nanaovany antso avo, fa ireo izay mbola manam-piniavana hitondra ny anjara birikiny ho an’ireo traboina, dia mbola afaka mandalo eny amin’ny foiben’ny masoivoho mandrotsaka izay foiny ao anatin’ilay vatan-drakitra manan-tantara, izay efa nampiasaina tamin’ny alin’ny 31 desambra nandraisana ny taona 2007.

Nisy fiaraha-miala hetaheta taorian’izany, izay natolotry ny fikambanana manao asa soa vao niforona tsy ela : ny “TETEZANAonlus”, ka Andriamatoa Sambiheviny, izay misahana ihany koa ny momba ny lafiny ara-kolotsaina – eo am-piandrasana ny tompon’andraikitra tompon-toerana – no nampahanfantatra ny mombamomba azy io tamin’ny fomba ofisialy tamintsika Malagasy eto Italia. Izay liana te-hahalala bebe kokoa dia afaka mitsidika ny www.tetezanaonlus.org

Ny sary vitsivitsy nalaina tamin’io araka ny mahazatra dia hitantsika ao amin’ny tahirintsary.

Fampatsiahivana farany : ny lamesa katolika fankalazana ny Paka dia tsy hatao eny amin’ny toerana mahazatra, fa eny amin’ny Istituto Teologico Don Orione, via Massimi 164 amin’ny 11 ora maraina.

Takelaka