You are here

Lanonana tsotra nifanaovana veloma tamin'i zoky Suzelin mivady.

Nampidirin'i Rondro ny Mon, 13/12/2021 - 06:48

Tsy hay ny tsy haneho fisaorana feno fankatelemana antsika rehetra vory lanona omaly 12  desambra 2021 tao amin'ny efitrano malalaky  ny masoivohontsika eto Roma, niara-nisaotra an’i zoky Suzelin Ratohiarijaona mivady tamin’izay rehetra vitany ho antsika zanak’i Madagasikara am-pielezana atý Italia ary nanolotra ny veloma mandram-pihaona ho azy ireo amin’izao zareo hitodi-doha an-tanindrazana izao rehefa nahavita ny adidy nampiandraiketina azy teto. Na tsy afaka tonga aza aho fa mbola anatin’ny gripa be dia faly tokoa naheno ny akony fa afa-po daholo isika rehetra.

Mankasitraka ny fahatongavanareo, na ny avy any amin’ny faritany lavitra na ny eto an-tanàna, sy ianareo tena nanam-paniriana ny ho avy saingy noho ny antony samihafa dia tsy afaka, fa raha nanomana aza izahay ka tsy namaly ny antso ianareo dia tsisy varany ihany.

Iny no tanteraka dia ny fifandrimbonantsika mianakavy ka mba avelao aho hanonona anarana vitsivitsy tamin’ireo nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka tokoa teo amin’ny lafiny rehetra :

- Satria mba tsy hanahiranana loatra antsika amin’ny fivezivezena dia nisy vitsivitsy nanolotra ny enti-manana tamin’ny nanaovana ny tsenan-tsakafontsika : Kiki Louis Limousine mianakavy, Lala sy Gianni any Milano, Roger Rasolomalala mianakavy, ny Fikambanana Tetezana onlus, ny Antoko Mpihiran’ny fiangonana protestanta malagasy eto Roma, Stène Rakotovao mianakavy,

- Dina Rakotoarisoa sy Ando Riantsoa ary ny ekipan’ny “Kal’Gasy” iray manontolo izay nitana ny familiana ny tao an-dakozia rehefa vita ny tsena,

- Radonavalona teo amin’ny famolavolana ny mofomamy nanamarihantsika fa tena mamy ny fiarahana tamin-dr’i zoky nandritra izay taona vitsivitsy izay,

- Ny teo amin’ny lafiny teknika nampafana iny lanonantsika iny : Hervé sy Ladiny teo amin’ny jiro sy zava-maneno ary ny fanentanana sy ny kenokenona tamin’ny sary sy hira,

- Ramatoa Mpiandraiki-draharaha ao amin’ny masoivoho nanokatra ny varavaran’ny “Tranobe iombonana” ka nahafahantsika nananteraka izany rehetra izany anio,

- Ianareo nifandimby tamin'ny lahateny feno fitiavana, nisolo vava anay rehetra,

- Ary indrindra indrindra isika rehetra rehetra faly nitotorebika tamin’ny hira sy dihy ho mariky ny fifaliana sy firaisampontsika, sady tsy nitondra tanam-polo fa mbola nivatsy izay zakanareo hatrany na sakafo na zava-pisotro niaraha-nizara tao.

Misaotra fa voatemitra haja sy voninahitra ny fiarahamonintsika. Mionera be ny laninareo rehetra ary afaha hasasarana ny rehetra.

Iny no tontosa dia Fitiavana daholo. Fitiavana namaliana ny Fitiavana nasehon’i zoky ho antsika teto, fa tena zoky be toa ray, tena zoky Raiamandreny tokoa izy mivady tamintsika.

Sitrakay sy telinay izay vitanareo ry zoky Suzelin sy zoky Hery ary tsy ho voavalinay fa Andriamanitra no hamaly izany aminareo. Mirary ny soa indrindra amin’izay adidy manaraka iandraiketanareo manomboka izao. Tongava soa an-tanindrazana ary samia velon’aina hifankahita soa hatrany ! Eto foana izahay ka aza misalasala mampandre raha sendra mandalo tanà-nahabe e !

 

Andry sy ny mpiketrika rehetra.

 

Ny sary sy horonana dia efa milahatra : ATO