You are here

Fifanaovam-beloma tamin'i zoky Suzelin Ratohiarijaona mivady.

Nampidirin'i Rondro ny Mon, 13/12/2021 - 06:43

 

Tsy hay ny tsy haneho fisaorana feno fankatelemana antsika rehetra vory lanona anio niara-nisaotra an’i zoky Suzelin mivady tamin’izay rehetra vitany ho antsika zanak’i Madagasikara am-pielezana atý Italia ary nanolotra ny veloma mandram-pihaona ho azy ireo amin’izao zareo hitodi-doha an-tanindrazana izao rehefa nahavita ny adidy nampiandraiketina azy teto. Na tsy afaka tonga aza aho fa mbola anatin’ny gripa be dia faly tokoa naheno ny akony fa afa-po daholo isika rehetra.

Mankasitraka ny fahatongavanareo, na ny avy any amin’ny faritany lavitra na ny eto an-tanàna, sy ianareo tena nanam-paniriana ny ho avy saingy noho ny antony samihafa dia tsy afaka, fa raha nanomana aza izahay ka tsy namaly ny antso ianareo dia tsisy varany ihany.

Misaotra fa voatemitra haja sy voninahitra ny fiarahamonintsika. Mionera be ny laninareo rehetra ary afaha hasasarana ny rehetra.

Iny no tontosa dia Fitiavana daholo. Fitiavana namaliana ny Fitiavana nasehon’i zoky ho antsika teto, fa tena zoky be toa ray, tena zoky Raiamandreny tokoa izy mivady tamintsika.

Sitrakay sy telinay izay vitanareo ry zoky Suzelin sy zoky Hery ary tsy ho voavalinay fa Andriamanitra no hamaly izany aminareo. Mirary ny soa indrindra amin’izay adidy manaraka iandraiketanareo manomboka izao. Tongava soa an-tanindrazana ary samia velon’aina hifankahita soa hatrany ! Eto foana izahay ka aza misalasala mampandre raha sendra mandalo tanà-nahabe e !

 

Misaotra an'i Hervé Donatien, Sandra Minah, Murio ary Hasina ihany koa nizara ireo sary sy horonana nalain'izy ireo.