You are here

Fisaorana avy amin'ny fianakavian'i neny Juliette Rasoarivony

Nampidirin'i Rondro ny Mon, 31/01/2022 - 15:36

Ny sary vitsivitsy ho fahatsiarovana dia efa nalahatra  ATO

***********************

Ny zanaka aman-jafiny sy ny fianakaviana manontolo
dia maneho fisaorana sy fankasitrahana feno tamin’ireo fanehoam-pitiavana sy fiaraha-miory nasehonareo
havana, tapaka sy namana, mpianakavin’ny finoana sy ireo rehetra tonga nidodododo,
naneho tokoa fa tompony niara-nizaka ny fahoriana ianareo
tamin’ny namoizan’izy ireo ny hava-malalany :

Neny Dokotera Juliette RASOARIVONY

Nahatsiaro tena tsy irery ny fianakaviana, fa nanana tokoa nanana anareo nanotrona sy nanohana tamin’ny fomba maro samihafa,
na teny amin’ny “Camera mortuaria”, na nandritra ny fanompoam-pivavahana sy fotoana manokana nampaherezana ny fianakaviana.

Ilay Andriananitra manan-karem-pahasoavana anie hamaly fitia anareo,
ary ialàna tsiny indrindra ho an’ireo tsy tratra antso noho ny hafenoan-dranomaso be loatra.