You are here

Hetsika 'Da Malgasci in Madagascar a Malgasci in Italia'

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 08/03/2016 - 12:19

 

Ny zoma 4 martsa teo
no natao teny amin’ny foiben’ny Fikambanana Mais Onlus ny fihaonana "Da Malgasci in Madagascar a Malgasci in Italia", nampahafantarana antsika Malagasy eto Italia. Azo atao hoe andiany faharoa izy io, raha
tamin’ny volana jiona tamin’ny taon-dasa no efa nisy ny voalohany. Ny fikambanana Tetezana Onlus sy ny mpikarakara
ny vohikala Malagasy eto Italia hatrany no isan’ny namolavola azy ity, ary natao teo ambany fiahian’ny Consiglio Regionale del Lazio sy ny
Masoivohon’i Madagasikara eto Roma.

Andro fiasana no
nanaovana azy ity ka somary nanahirana ny maro ny tonga teny an-toerana satria samy
sahirana amin’ny asa fivelomana sy ny adidy aman’andraikitra avy ny tsirairay, fa
isaorana indrindra ireo nanao ezaka lehibe tamin’ny fanomanana sy fandraisana
anjara ary fanotronana fa tsy nitsanga-menatra isika. Fisaorana no atolotra anareo rehetra, kanefa singanina manokana fa vovonana iadian'ny lohany ny Ray am-panahy, mompera Pierre Emile Rakotoarisoa, avy
amin’ny Ankohonana katolika Victoire Rasoamanarivo, ary ny solotenam-panjakana avy ao amin’ny Masoivoho eto Roma, izay
notarihin’andriamatoa Dama Rakotondrasedo, Mpiandraiki-draharaha, a.i (mpisolo
toerana), ankehitriny.  

Ankoatran’ny
firesadresahana momba ny fiampiainantsika Malagasy eto Italia dia nandray fitenenana tao koa i Guilio Querini, mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo sady
mpanoratra, nampahafantatra ny asa-sorany “Sotto il cielo del Madagascar”.

Ary teo am-pamaranana,
mialoha ny fialana hetaheta sy sakafo malagasy natao ody am-bavafo dia nahaliana
ireo vahiny ny fanazavana nentin’i Hervé Donatien, mpamorona  ny tarika artistika KA.ME.MA (Kanto sy Mevan’i
Madagasikara) : “zava-dehibe amin’ny Malagasy, hoy izy, ny Fireneny na efa
mahatsiaro milamina aza ny fiainany aty an-tanin’olona aty hany ka mitodika amin'ny Fireneny hatrany izy, toy ny firaiketam-pon’ny
zanaka amin’ny reniny satria ny Firenena amin’ny teny malagasy dia avy amin’ny foto-teny
hoe Reny.”

Mamerina
fankasitrahana hatrany antsika rehetra, na ny tonga na ny naniry ho avy saingy
voatanan’ny adidy isan-tsokajiny. Manantena anareo hatrany eo aoriananay amin’izay
ezaka mbola hataonay hampahafantatra an’i Madagasikara.

Ny sary vitsivitsy dia efa nalahatra ATO