You are here

Vehivavy Malagasy, 9 martsa

Nampidirin'i superadmin ny Thu, 21/02/2013 - 09:44
Ny Fikambanana G.T.M. dia faly manasa ny Vehivavy Malagasy rehetra tsy an-kanavaka ho tonga ao Settimo Milanese (MI), ny Asabotsy 9 Marsa 2013, hihaonana amin'ny Mpisolovava RITA SOLARI, izay hanazava momba ny zon'ny vehivavy sy ny lalàna rehetra miaro azy.
Toy ny fanaontsika ihany: iangaviana ny rehetra samy hitondra sakafo sy zava-pisotro hiarahana aorian'ny fanazavana rehetra ilaintsika.
AOKA HO TONGA ARA-POTOANA mba hahafahantsika manararaotra ny fahazotoana sy ny fahavononan'ilay Mpisolovava hanome fanazavana feno antsika. 
  
Mandrampihaona tsy ho ela!
Ireo mpandrindra

 

GTM_8mars