You are here

'Un biscotto per l'Africa', hisy kilongantsika ihany koa handray anjara.

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 20/03/2017 - 22:30

 

Ho antsika any Arezzo sy ny manodidina indray ity.

Miendrika fifaninana hampandraisana anjara ny zaza sy ankizy - ampian'ny ray aman-dreny na tsia - hanamboatra "biscotti" any an-trano ka io no entiny ao amin'ny ny sabotsy 25 martsa ho avy izao hanomboka amin'ny 3 ora tolakandro ao amin'ny Fraternità dei Laici, Piazza Vassari, Arezzo. Samy afaka manandrana ny vokatra ny mpanatrika fa ny fifidianana ny hahazo ny loka 5 voalohany kosa dia amin'ny alalan'ny fividianana "scheda" 5 euro. 

Manana mpandray anjara i Madagasikara ka raha afaka manohana azy telo mianadahy kely isika dia afaka manararaotra manao bemidina kely any Arezzo amin'io fotoana io. Ny adidy sy ny fitsangatsangana sy ny fihaonana amin'ny mpiray tanindrazana ho vita, ny fahafinaretana ho azo. Raha maromaro moa isika no ho tonga sy handray anjara amin'ny fifidianana dia mety mba hanam-bintana hibata ny loka izy telo dahy ary indrindra mety mba  hiseho fahitalavitra araka ny fanazavana ato amin'ny takelaka : "Un biscotto per l'Africa".

Alefaaaaaa...