You are here

RNS 2018 ao Lyon : hanainga tsy ho ela ny solontenantsika Malagasy eto Italia amin'ny taranja Lomano.

Nampidirin'i superadmin ny Sat, 24/03/2018 - 09:48

 

Isan'ny vaovao mahafinaritra ka zaraina amintsika eto ity fa sambany handray anjara amin'ny "Rencontre Sportive Nationale" (RNS) izay fanao isan-taona ao France isika Malagasy eto Italia. Ao Lyon no hanatanterahana azy amin'ity taona ity, manomboka ny sabotsy 31 martsa ka hatramin'ny alatsinain'ny Paka, 2 aprily 2018. 

Hanainga afaka andro vitsivitsy hamonjy io fihaonambe ara-panatanjahantena io arak' izany ny delegasiona tarihin'ny tompon'andraikitra ao amin'ny masoivoho, miaraka amin'ny ny atleta hisolo tena antsika eo amin'ny taranja lomano.

Tena santatra am-bavarano tokoa ity noho ny fahafohezan'ny fotoana nanomanana azy ka izao aloha izany dia ny lomano ihany no hahitana antsika fa ny tanjona dia ny handraisantsika anjara amin'ny taranja hafa amin'ny taona manaraka. 

Ary satria hay fa maromaro ihany isika no mamonjy azy ity isan-taona, indrindra ianareo any avarabaratra any, ka dia ao amin'ny Gymnase Benjamin Delessert,  40 rue Gerland (69007 Lyon) izany mifankahita ny alahady 1 aprily manomboka amin'ny 10 ora sy sasany e !

Tongava maro hanohana ny solontenansika (mivoha amin'ny 10 ora ny vavahady).