You are here

Olana amin'ny resaka pasipaoro

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 25/10/2016 - 09:01

Mba apetraka eto ity horonantsary ity hampahafantarana ny zava-misy amin'ny Malagasy eto Italia. Ary dia manantena ny zanaka am-pielezana fa hahazo valinteny sy vahaolana momba ity resaka pasipaoro ity. 

Mety vitsy no mbola mahalala ilay olana amin'izao ora izao satria efa lany daty ilay pasipaoro, ka dia efa ampiomanina ihany koa izany ireo manana pasipaoro ho lany daty atsy ho atsy. Ankoatra ny fahafahana mivoaka sy miditra ny firenena italianina dia tena iankinan'ny ain-dehibe ny pasipaoro satria miankina amin'io koa ny hahafahana manavao ny taratasy fahazoana monina eto Italie. Ary raha tsy afaka manavao an'io dia mazava ho azy fa mety ho very asa, tsy afaka hanohy fianarana...zany hoe very zo.

Koa miangavy ny tompon'andraikitra re, mba omeo fanazavana sy vahaolana ireto zanaka am-pielezana efa manomboka misafotofoto fa sady efa lany 90 € isan'olona (nefa dia misy ny fianakaviana iray izay efatra na dimy mianaka) no mbola tsy maintsy hitady vahaolana hanavaozana ilay pasipaoro any Madagasikara indray sady handoa 30€ na 40 € isaky ny pasipaoro toy ny rehetra ihany koa.