You are here

Ny Malagasy eto Italia nandritra ny fanandratana ho Olontsambatra an'i Ramose Botovasoa.

Nampidirin'i Rondro ny Mon, 16/04/2018 - 19:03

 

 

Tontosa soa aman-tsara omaly 15 aprily 2018 ny fanandratana ho Olontsambatra an'i Ramose Lucien Botovasoa tany Vohipeno. Niray fo sy fanahy tamin'ny olona an'arivony maro tany Vohipeno ihany koa ny Malagasy maneran-tany ary isan'ny nanana adidy lehibe nisolo tena an'i Madagasikara teny amin'ny Vatican isika atý Italia.  

Ravoravo erý ny tena nahita ireo Malagasy avy amin'ny lafivalon'i Italia nihoby ny Papa Ray Masina teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Piera nandritra ny Regina Caeli (Angelus amin'ny fotoanan'ny Paka) raha nambarany am-pahibemaso ny fankatoavany ny fahamasinam-piainan'i Ramose Botovasoa. Nihohafoha avo ny faneva fotsy-mena-maitso, ny sarin'i Ramose sy ireo lambaoany maro loko. Nahoraka ny fisaorana an'i Papa Fransoa noho izany fahasoavana izany.

Misaotra anareo rehetra nanatrika teny fa hita taratra ary tafita tamin'ireo tsy mba afaka tonga ny hafalian-dehibe noraisinareo. Tsongaina eto ary isaorana azy betsaka ny fizarana nataon'i Sr Sylvie raha vao tafaverina avy teny izy : "Vavaka farany  nataon'i Ramose Lucien Botovasoa ny hoe 'Enga anie ny rako latsaka amin’ny tany, ho fanavotana ny tanindrazako'. Nasehony hatrany fa ny fankahalana dia valiana Fitiavana, ny ratsy valiana amin'ny tsara, ny mamono valiana amin'ny fijoroana amin'ny Finoana. Mampianatra ahy hatanjaka sy ho sahy izy mba hanasoavana ny hafa. Tena ilain'izao tontolo izao ny Finoana mafy be nananany ka isaorako an'Andriamanitra ny fananana azy ho faka-tahaka".

Mankasitraka feno anareo rehetra nikarakara nahatomombana iny andro lehibe iny, ary misaotra ihany koa ireo nizara ny sary rehetra izay efa milahatra ato amin'ny : TAHIRINTSARY.