You are here

Ny Fikambanana Tetezana Onlus mitety sekoly mampahafantatra an'i Madagasikara.

Nampidirin'i Rondro ny Thu, 21/02/2019 - 11:20

 

 

Araka ny anarany dia miezaka ho tetezana mampifandray an'i Madagasikara sy Italia ny fikambanana Tetezana Onlus. Ny fanabeazana moa no tena ifantohan'ny fikambanana ka ankoatra ny fandraisana an-tànana ny fandefasana an-tsekoly sy fanaraha-maso akaiky ireo ankizy any Madagasikara - izay tsy tontosa raha tsy teo ny fanampianareo rehetra malala-tànana avy aty dilam-bato - dia ezaka atao ihany koa ny mampahafantatra an'i Madagasikara amin' ireo zaza atý Italia. Efa natomboka taona vitsivitsy lasa izay ny hetsika fitetezana sekoly ary mbola tohizana ankehitriny.

Ka tamin'ity volana febroary ity dia ny sekoly ambaratonga faharoa fototra "M. Fioravanti" sy ny sekoly fanabeazana fototra "Istituto Comprensivo" sy "Lorena Alessandro" eto Roma (faritra La Rustica) no notsidihana. Ny fiteny malagasy vitsivitsy, ny foto-tsakafo, ny kilalao, ny fianaran'ireo zaza malagasy no noresahana betsaka nandritra izany izay tsapa fa nanintona ireo ankizy tokoa ka nandray anjara tanteraka tamin'ny resadresaka izy ireo.

Am-pitiavana hatrany no hanohizana izany ka raha misy manam-piniavana handray azy ireo ny sekolin'ny zanantsika, indrindra ny eto Roma sy ny manodidina, dia aza misalasala mifandray mivantana amin'ny mpiandraikitra :

Andry Rakotomavo :
- mailaka : andry@tetezanaonlus.org 
- finday : +39 3471432921

 

Sary vitsivitsy dia voatahiry ato : Fitetezana sekoly