You are here

Lasa namonjy iny habakabaka iny i Amédé namantsika.

Nampidirin'i Rondro ny Mon, 30/12/2019 - 17:33

Amin'ny fo feno alahelo no ampandrenesana antsika fa lasa namonjy iny habakabaka iny omaly alahady 29 desambra 2019 ny namantsika Amédé RAKOTOARISON.

Hisy fotoam-bavaka hatao ho fialan-tsasatry ny fanahiny ny alarobia 1 janoary 2020 amin'ny 3 ora tolakandro ao amin'ny foiben'ny masoivoho, via Riccardo Zandonai 84. Aorian'izay no hanefana ny adidy farany aminy araka ny fomba malagasy, dia ny rambon-damban'ny maty sy fao-dranomaso ho an'ny fianakaviana.

Maneho fiaraha-miory tanteraka isika ary manolotra ny teny fampaherezana. Ho maivana ny diany, hahazo fiadanana ny fanahiny. 

"Tsy maty tanteraka izay nodimandry ho an'ireo tiany sy tia azy, hoy i Arsène Houssaye. Toy ny masoandro mody erý am-paratazan'ny ranomasimbe izy ka manohy  manapariaka hazavana midorehitra raha toa mitodika any aminy."

Jereo eto ny tahirintsary