You are here

Fivoriana sy fanohanana ny Fikambanana Mais Onlus

Nampidirin'i Rondro ny Tue, 10/04/2018 - 22:01

 

Eo am-piatrehana ny fivoriana fanaony isan-taona ny Fikambanana Mais Onlus ka amin'ny alahady 15 aprily dia hanao dinidinika filazana ireo asa vita tany Madagasikara izy ireo eny amin'ny foiben'ny masoivoho eto Roma, via Riccardo Zandonai 84. Anisan'ny hanatontosa izany ao koa Andriamatoa Jean- Francois Ratsimbazafy izay mpitantana ny asa any an-toerana .

Ao aorian'izany dia hisy ny fiaraha-misakafo ho fanohanana ny tetikasa "Fattoria biologica" zay sahanin'ny fikambanana any Madagasikara manomboka amin'ny 1 ora sy sasany antoandro ka izay maniry handray anjara dia iangaviana hanao famandrihana sahady amin'ny 

Mais Onlus : 06 788 6163