You are here

Fitia tsy mba hetra ho an'ireo traboina any Madagasikara

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 04/02/2015 - 21:33

Ny Masoivohompirenena malagasy eto Roma dia mandefa ity fanentanana ity ho antsika rehetra eto Italia, na vondrona laika, na antokom-pivavahana, na mpanao asa sosialy na ny isam-batan'olona sy isam-pianakaviana amin'ny fandraisana anjara ho fanampiana ireo mpiray tanindrazana izay traboina tamin'ireo rivo-doza farany nosedrain'i Madagasikara, indrindra ny rivo-doza Chedza izay nahery vaika loatra.

Manomboka ny 23 ka hatramin'ny 25  febroary izao ny fe-potoana farany hanaterana ny voaangon'ny isan-tokony any amin'ny Masoivoho eto Roma (jereo fanazavana amin'ny taratasy ofisialy). Ampitampitao ho an'izay tsy tratr'ity antso ity.

Marihina fa mangarahara ny fandrotsahana an'io vola io any amin'ny BNGRC izay mitsinjara ny fampiasana azy ireo. Koa ny olona rehetra na fikambanana izay mandrotsaka dia voasoratra mazava ao amin'ny Masoivoho ny anarany sy ny adiresiny ary ny vola narotsany. Ka rehefa mifarana ny fanangonana dia havoaka mazava ho an'ny besinimaro ho hitan'ny rehetra izany avy eo ary havoaka ihany koa ny tapakila nandefasana azy nankany Madagasikara miaraka amin'ny tontalin'ny vola voaangona ka nalefa.

Misaotra indrindra.