You are here

Fiaraha-miala voly 1er mai eny amin'ny ambassade

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 20/04/2016 - 10:42

An-kafaliana no iantsoana antsika Malagasy rehetra manerana an'i Italia mba hiaraka hiala voly kely ny tontoloandron'ny alahady 1er mey izao.

Samia mitondra sakafo hiaraha-mizara, indrindra koa hena manta ho atonontsika rehefa tolaka iny ny andro.

Toy ny fanaontsika manko dia mba mitsangatsangana isika rehefa toa izao saingy amin'ity dia tsy handeha lavitra isika fa eto an-tanàna, amin'ny tranobe iombonana  ihany : afaka mihira, mandihy, milalao karatra, mitafasiry sns.

Koa manantena hifankahita aminareo rehetra izany, ny avy eto Roma sy ny manodidina sy ianareo avy any amin'ny faritany : ao amin'ny masoivoho, via Riccardo Zandonai, 84 ny fotoana manomboka amin'ny 11 ora antoandro  ka hatramin'ny 8 ora alina eo ho eo. 

Mifampilazà

Raha mila fanazavana fanampiny dia antsoy i Andry : 3471432921 na e-mail : andry@tetezanaonlus.org