You are here

FFKM - Fanasana fiombonam-bavaka

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 09/03/2015 - 19:51

Ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Roma dia faly manasa antsika
Malagasy rehetra tsy ankanavaka amin'ny fiombonam-bavaka atao ho
fahatsiarovana ireo mahery fo tamin'ny 29 Marsa 1947 sy fitondrana
ambavaka ny firenena malagasy.
Izany dia tontosaina ny Alahady faha-29 marsa tolakandro amin'ny 14:30.
Ny toerana dia ao amin'ny Parrocchia di Santa Maria della Visitazione,
Via dei Crispolti-142/144, 00159 – Roma

Fanazavana:

Mandeha Bus 163 :

  • Raha miainga avy any Verano dia miala eo amin'ny fijanonana Tiburtina/Diego Angeli.
  • Raha avy any Rebibbia no miainga dia miala eo amin'ny fijanonana Tiburtina/Cesana.

Metro B : mankany Rebibbia ary mijanona fermata Petralata, manaraka ny via
Tiburtina miankavanana ary mivily eo amin'ny Via Luigi Cesana na Via Diego Angeli
mandrapahita ny fiangonana.
Manantena ny fahatongavantsika maro amin'io fiaraha-mivavaka io.
Mirary soa ho antsika rehetra ary samy ho tahian’Andriamanitra daholo.

Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan' i Jesoa Kristy Tompo sy ny
fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana avy amin'ny Fanahy Masina!
2 Korintianina 13: 14

Ny Komitin'ny FFKM eto Roma.