You are here

Fandalovan'ny Mpanompovavin'Andriamanitra Marthe Hervée eto Roma.

Nampidirin'i Rondro ny Tue, 10/04/2018 - 21:26

 

Manao fitsidihana manerana an'i Eoropa ny Mpanompovavin'Andriamanitra Marthe Hervée sy Tiana Fanantenana ao amin'ny "Radio Vaovao Mahasoa" ka anatin'ny fandaharam-potoanany ny hitsidika eto Roma.

Koa amin'ny sabotsy 14 aprily manomboka amin'ny 4 ora tolakandro dia hisy fampianarana, famelabelarana, fifanakalozana, fametrahana fanontaniana hiarahana amin'izy ireo ao amin'ny Fiangonana protestanta eto Roma, via IV novembre, 107  

Ny alahady 15 aprily amin'ny 2 ora sy sasany tolakandro kosa dia hisy fiaraha-mivavaka ao amin'ny via IV Novembre ihany. 

Koa satria efa fanao mahazatra ny fiangonana ny fiaraha-misakafo isaky ny alahady fahatelon'ny volana ka dia afaka mitondra sakafo izany amin'io. Hatomboka amin'ny 12 ora antoandro ny fifampizarana ny masaka dia aorian'izay ny fotoam-bavaka.

Ho an' izay te hanaraka ny fampianarana sy fampaherezana ataon 'izy ireo amin'izao diany aty ivelany izao dia ireto misy rohy ahafahana manaraka izany :

https://www.facebook.com/Faniloradio/  
https://www.facebook.com/Radio-Vaovao-Mahasoa-342533911769/