You are here

Fanasana Fetin'ny fahaleovan-tena eto Roma

Nampidirin'i superadmin ny Fri, 10/06/2016 - 13:37
Ampitaina ny fanasana ofisialy avy amin'ny Masoivohon'i Madagasikara eto Italia mikasika ny fankalazantsika ny fetin'ny fahaleovan-tena ny 26 jiona 2016
---------------
FANASANA
Ramatoa TIANAMAHEFA Onipatsa Helinoro, Mpiandraiki-draharaha a.i. ao amin’ny Masoivoho malagasy eto Italia sy ireo mpiara-miasa aminy dia faly manasa antsika mpiray tanindrazana rehetra monina eto Italia mba hiaraka hankalaza ny fetim-pirenena ao anatin’ny “Madagasikara mandroso no tanjona iombonana”
Ny lanonana dia hotanterahina ny Sabotsy faha 25 jona 2016, manomboka amin’ny 6 ora hariva, ao amin’ny Masoivoho malagasy Via Riccardo Zandonai, 84/A 00135 Rome.
FANDAHARAM-POTOANA:
06 ora hariva : Fahatongavana sy fandraisana antsika rehetra.
06 ora sy sasany hariva: Fananganan-tsaina sy hiram-pirenena iaraha-miredona.
07 ora latsaka fahefany hariva: Kabary ifandimbiasana :
- Solontenan’ny Diaspora.
- Ramatoa Mpiandraiki-draharaha a.i.
07 ora sy fahefany hariva: Fiantombohan’ny lanonana - hira sy dihy nentin-drazana.
08 ora alina: Sakafo « Nofonkena mitam-pihavanana » arahin’ny fandihizana.
10 ora alina: Fanapahana ny mofo mamy.