You are here

Fanandratana ho Olontsambatra an'i Ramose Botovasoa : Fiombonantsika aty Italia amin'ny any Vohipeno amin'ny alahady 15 aprily

Nampidirin'i Rondro ny Tue, 10/04/2018 - 09:25

 

 

 

Efa naroso tamintsika teto ihany moa fa amin'ny alahady 15 aprily izao no  hasandratra ho Olontsambatra any Vohipeno i Ramose Lucien Botovasoa, mpampianatra, kristianina lahika malagasy. Hiombona amin’ireo any an-tanindrazana ny atý Italia ​amin'io andro io ​ka hifamotoana eny amin'ny Bazilikan'i Md Piera eto Roma arak'ity fandaharam-potoana ity :

Hanomboka amin'ny 10 ora tsy diso ny Sorona Masina izay sady isaorana an'Andriamanitra noho ity andro lehibe ho an'ny Eglizy katolika malagasy ity no hanandratana vavaka ho an'ny Firenena ihany koa eo am-pahatsiarovana ireo martirin'ny 29 martsa 1947, satria isan'izy ireny tokoa i Ramose Botovasoa.

Mila tonga alohaloha eny an-toerana noho izany satria tsy misy tapa-kila manokana fa miaraka miditra amin'ny mpitsidika rehetra, ​ka ao amin'ny Cappella Ungherese avy hatrany ny fotoana. 
Fanoroana fohifohy : rehefa miditra ao amin'ny bazilika dia tazony ny ankavia fa mila mamonjy ilay tohatra akaikin'ny sakristia mitondra antsika midina any amin'ny Fasan'ny Papa. Mizotra hatreny amin'ny fasan'ny Papa Paoly VI Olontsambatra ary eo ankaviany eo no misy ilay lasapely.

Aorian'ny lamesa dia hamonjy ny kianjan'i Md Piera daholo indray amin'ny mitataovovonana, miaraka amin'ny sainam-pirenena malagasy (samia mitondra izay manana), hanatrika ny "Regina Caeli"-n'ny Papa satria amin'io no hilazany ampahibemaso ho ren'izao tontolo izao fa nasandratana amin'ny toeran'ny Olontsambatra i Ramose Botovasoa ity. 

Rehefa vita izay dia hisy ny fifampizarana hafaliana sy sakafo ao amin'ny "Sala Arrupe" ao amin'ny via dei Penitenzieri 20 (akaikin'ny eglizy Borgo Santo Spirito) manomboka amin'ny 1​ ora antoandro ​ka hatramin'ny 3 ora sy sasany tolakandro eo ho eo.