You are here

Expo2015 : Andro natokana ho an'ny lavanilan'i Madagasikara

Nampidirin'i superadmin ny Thu, 10/09/2015 - 08:45

Tsy hoe tapitra tamin'ny 13 aogositra teo iny akory ny fampahafantarana an'i Madagasikara eny amin'ny Expo 2015 any Milan. Mbola afaka mitsidika ny tranohevantsika hatrany isika hatramin'ny faran'ny volana oktobra.

Ary satria momba ny sakafo no tena fotokevitr'ity hetsika lehibe ity, dia tsy ho diso anjara amin'izany ary ny lavanila, izay isan'ny harena ireharehantsika malagasy. 

Koa entanina indray isika rehetra hanotrona ny fampirantiana sy atrik'asa "Vaniglia bourbon del Madagascar" izay ho tontosain'i Edith Jaomazava, Andriambavilanitry ny lavanila eto Italie, amin'ny  sabotsy 3 oktobra ho avy izao amin'ny 4 ora tolakandro, ao amin'ny tranohevan'ny "Slowfood" (farany atsinanana amin'ny Decumano). Izany dia hiarahany amin'ny "scuola di cucina internazionale IFSE" sy ny zaza rehetra ao amin'ny Expo amin'io andro io : hiaraka hanamboatra sy hanandrana ny glasy vita amin'ny lavanila avy any Madagasikara...

Manasa ary e, taomy ny tapaka sy namana na vahiny na tompon-tany !