You are here

Edith notolorana mari-pankasitrahana 'Donne che ce l'anno fatta'.

Nampidirin'i Rondro ny Sun, 27/09/2015 - 18:51

 

Am-pifaliana tokoa ny hiarahabana sy handraisan-tànana an'i Edith Jaomazava, Andriambavilanitry ny lavanila, nandray ny mari-pankasitrahana "Donne che ce l'hanno fatta" tao Milano omaly sabotsy 26 septambra 2015. Mirary azy hisondrotra hatrany hatrany eo amin'ny sehatra ilofosany.

Misaotra ireo tonga nanotrona azy, ary manolotra fisaorana manokana an'i zoky Dama Rakotondrasedo, Raiamandreny ao amin'ny Masoivoho sy i Isabella De Maddalena, namana akaiky an''i Edith nanolotra ny sary zaraina amintsika.

Dia mampatsiahy sy manentana antsika hatrany koa ho avy amin'ilay Andro natokana ho an'ny lavanilan'i Madagasikara amin'ny 3 oktobra ho avy izao araky ny vaovao efa napetraka ATO.

 

 

Sary fahatsiarovana : Edith  notolorana mari-pankasitrahana tao Milan.