You are here

Milan : Alim-pikoranana hampahafantarana an'i Madagasikara

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 02/03/2015 - 19:16

Ny Fikambanana G.T.M. dia mbola manasa ny besinimaro ho tonga hiara-hikorana mandritran'ny ALINA GOAVANA izay hotanterahina ao amin'ny "Restaurant-Pizzeria-Pub RED PASSION", via Resempiano 42, Sirtori (Lecco), Frazione Bevera, ny asabotsy 7 Martsa 2015 ho avy izao.

Ny korana dia hatomboka amin'ny fiaraha-misakafo, amin'ny 7 ora hariva, ka hotohizana amin'ny fampahafantarana an'i MADAGASIKARA amin'ny alalan'ny lahatsoratra momba ny «Fitaizana Malagasy», hovakiana amin'ny tenin-drazana ary hampiarahana amin'ny fanehoana sary ; fampiratiana ihany koa ny zava-kanto vita Malagasy zay hisy azo vidina ; hisy koa fanehoana ny fitafin'ny foko Malagasy sasantsasany.

Toy ny mahazatra, ny korana dia hohafanaina amin'ny mozika sy dihy. Ho an'ny vehivavy dia hisy fanomezana hatolotra ny tsirairay.

Ny fandraisana anjara hangatahana dia 20 euro, izay vidin'ny sakafo hokarakarain'ny tompo-toerana.
Koa tongava maro fa ny fahafinaretana dia ho azo tokoa!
Ho an'izay mila fanazavana bebe kokoa ary maniry ny ho avy dia iangaviana izy hiantso ny laharan'ny findain'i Louise 335 8382871 na Lucie 334 9341572.