You are here

Festa dei Popoli 2013

Nampidirin'i superadmin ny Sun, 21/04/2013 - 11:17

301818_4062833935074_76069782_n

 

Tonga soa atý amin’ny andiany faha-22 amin’ny “Festa dei Popoli” indray isika amin’ity taona 2013 ity, ka ny lohahevitra nomena azy ity dia ny hoe “Incontro che cambia”. Amin’ny alahady 19 mey 2013 ho avy izao no hanatontosana izany eny amin’ny kianja malalaky ny bazilikan’i San Giovanni in Laterano.

Toy ny isan-taona dia mandray anjara amin’ity hetsika ity isika Malagasy noho isika ao anatin’ny “Comunità immigrate” ao anatin’ny diosezin’i Roma. 

Manasa antsika rehetra àry hifanotrona sy hanandratra ny maha-Malagasy antsika toy ny mahazatra. Ny fandaharam-potoana tsy miova fa amin’ny 12 ora antoandro ny Sorona Masina lehibe ao amin’ny bazilika ka isan’ny manana hira amin’ny litorjia ny Ankohonana katolika "Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo", ny tolakandro dia misy ireo fampisehoana an-tsehatra isan-karazany. Azonareo atao ny mitondra sakafo izay hifampizarantsika toy ny isan-taona eo ambany alokaloky ny bazilika, nefa tsarovy fa misy ihany koa ireo sakafon'ireo firenena hafa izay amidy mirary tokoa.

Ireo trano hevan’ny isam-pirenena kosa dia hisokatra ho an’ny rehetra tontolon'ny andro, manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva any ho any. Amin’ity indray mitoraka ity dia izahay telo mianadahy mpikarakara ity vohikalantsika “Malagasy eto Italia” ity no hiandraikitra ny trano hevantsika Malagasy, raha ny Fikambanana Tetezana Onlus no nanao izany tamin’ny herintaona. Itony manko no fotoana hampahafantarana hatrany amin’ireo vahiny hafa sy ny tompontany fa misy isika Malagasy eto Roma sy eto Italia na tsy maro an'isa toa ireo firenena sasany aza. Koa tongava maro fa sady mahazo rivotra no mihaona sy mikorana no manefa adidy e.

Ireo vondrona na fikambanana izay te-hampahafantatra ny momba azy ireo, na ny hetsika kasain'izy ireo hatao dia afaka mamela aminay peta-drindrina maromaro na "carte de visite" izay azo zaraina amin'ireo mpitsidika, koa aza misalasala fa izany hatrany ny tanjonay eto amin'ity vohikala ity.

Koa dia manantena hifankahita marobe amin'ny alahadin'ny pentekôty isika, ilazao izay tsy mba tratran'ity antso ity. Mirary soa hatrany.

 

Andry - Rondro - Hery.

 

 

318061_4062952058027_1847886399_n