You are here

Fanasana avy amin'ny KaMeMa

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 10/03/2015 - 10:10


Faly miarahaba anareo Malagasy mpiray tanindrazana, monina eto Italie izahay tarika KAMEMA (KAnto sy MEvan’i MAdagasikara).

Voninahitra
sy hafaliana lehibe ho anay ny manasa anareo rehetra ny alahady 12
avrily 2015 ho avy izao.  Hiaka-tsehatra voalohany amin’io daty io
mantsy ny tarika KAMEMA, na dia efa nandray anjara mavitrika tamin’ireo
fety sy hetsika isan-karazany mandritra ny taona maromaro.

Hankalaza
an'Andriamanitra, hankalaza tsingerin-taona fahadimy, hitondra ny
Kantosy Meva an-kira, hamela hafatra ary hihaona aminao namana, havana
sy mpankafy, niara-namindra hatramin'izay … Ireo no antonyhihaonantsika
amin’io daty tsy manam-paharoa io.

Isaoranay sahady ianao
tamin’izay rehetra efa nataonao ho an’ny KAMEMA hatramin’izay nijoroany
izay (22 aogositra 2010). Sitraka enti-matory ireny ka hovaliana sy
hotsarovana ombieny ombieny.

Miandry anao ho tonga aryizahay ary manantena ny fandraisanao anjara amin'ny lafiny rehetra !

Miomana dieny izao, mariho ny daty sy ny toerana mbamin'izay hoentinao miombom-po sy miombom-pety aminay !

ASAO NY NAMANAO HIARA-MANKAFY NY KANTO MALAGASY AMINTSIKA !

 

Zavatra tsara ho fantarina sy hotadidiana:

Daty sy ora: Alahady 12 avrily 2015, amin’ny 4 ora tolakandro

Toerana: sala convegni Oratorio salesiano, Parrocchia Santa Maria della Speranza

Via Francesco Cocco Ortu, 19 Roma

Ireo fitaovam-pifamoivoizana azonao raisina:

  • Termini : mandray 90 ary miala eo amin’ny Piazza Ateneo salesiano
  • Piazza Venezia: mandray 80 ary miala eo amin’ny Piazza Ateneo salesiano
  • Metro B dir. Conca d’Oro:miala eo Conca d’Oro

Avy eo 93 na 80 ary miala eo amin’ny Piazza Ateneo salesiano

Fandraisana anjara:

Fanasana voaray manokana: 20 €

Olondehibe: 10 €

Ankizy: 5 €

 

Hisy fiarahana miala hetaheta mahafinaritra atolotray aorian’nyconcert

Miandry anareo izahay KAMEMA arymanantena mafy ny fandraisanareo anjara !

Randrianomenjanahary Hervé Donatien, amin’nyanaran’ny KAMEMA