You are here

Ny Ekipa Solida nifampiarahaba fa nahatratra soa ny taona vaovao 2024

Nampidirin'i Rondro ny Mon, 05/02/2024 - 22:32

 

Ny alahady 4 febroary teo no nifamotoana teny amin'ny tranon'ny Fikambanana Montfortain misy an'i Fr. Dezy ny Ekipa Solida, niaraka nifaly amin'ny nahatratrarana ny taona vaovao 2024 sy nidinika momba ny vondrona, hetsika izay efa fanaon'izy ireo isan-taona ihany hatramizay.

Ny Ekipa Solida, izay mandray anjara feno ao amin'ny Ankohonana katolika Victoire Rasoamanarivo, manko dia ireo 10 mianadahy tanatin'ny Vondrona Saint Augustin teo aloha ka nanaiky fa hanohy ny adidy sy andraikitra izay efa nosahanina tao amin'ny Ankohonana nony tsy afaka notohizana intsony io vondrona io satria tsy afaka hanohy hitarika ny vondrona intsony ny pretra namorona azy tany am-boalohany.