You are here

Fiondrehana farany teo anoloan'i Amédé

Nampidirin'i superadmin ny Thu, 09/01/2020 - 19:02

 

I Holy, anabaviny, sy Yoven, zanak'anabavin'i Amédé dia niangavy anay hampita fisaorana feno sy fankasitrahana ho antsika  rehetra Malagasy eto Italia tsy misy ankanavaka - Raiamandreny ao amin'ny masoivoho, Raiamandreny am-panahy, katolika sy protestanta, ireo fikambanana sy vondrona samihafa, ireo mpiara-milalao baolina aminy,  ianareo tapaka sy namana tsy nahafoy azy, tsy avy eto Roma ihany fa avy any amin'ny faritany koa.

Misaotra hono tompoko fa heni-boninahitra i Amédé tamin'izay fitiavana nasehonareo nandritra ny 10 andro naha-teto am-bohitra ny razana izay, ary zary maivana ny fahorian'izy ireo nisy anareo niara-nizaka izany.

Hanainga rahampitso zoma 10 janoary ny sidina hitondra azy hody an-tanindrazana. Mba hilamina anie ny diany ka ho tody soa aman-tsara any izy.

Amin'ny anaran'izy mianaka eto Roma, ireo iray tam-po ao Frantsa ary ny fianakaviana manontolo any Madagasikara, hono re tompoko, izany fisaorana avy ao am-po izany.