You are here

Alatsinain'ny Paka 2014 eny Vitinia

Nampidirin'i superadmin ny Fri, 28/02/2014 - 13:41

Ho antsika eto Roma sy ny manodidina, 

 

hisy fialamboly hanasana antsika ity amin'ny alatsinain'ny Paka 2014 ity.

Izany dia hatao eny amin'ny pizzeria Re Grano eny Vitinia, via Lago Santo, 23.

Amin'ny 9 ora sy sasany maraina no hifamotoanana eny. Samia mivatsy sakafo sy tsakitsaky isankarazany, zavapisotro, hatramin'ny sakafo hariva mihitsy aza satria ny masoandro maty no hampalahelo eny. Afaka mitondra hena manta koa izay terem-panahy satria afaka manao barbecue.

Maro ny fialamboly azo atao amin'izany : lalao baolina kitra, volley ball, tennis. Misy toerana malalaka ho an'ny zaza madinika. Ao koa ny karaoke sy ny fandihizana efa mahazatra antsika manomboka ny tolakandro.

Ny fahatongavana eny dia Train Roma-Ostia raisina etsy amin'ny piazzale Ostiense na metro San Paolo na metro Magliana (direzione Ostia). Fiantsoanana hidinana dia Vitinia, ary avy eo misy bus mitondra miakatra eny via Lago Santo.

Izay mila fanazavana fanampiny dia afaka miantso an'i Hermann : 347-3271729 na i Misa : 380-3642453 na koa i Rado : 320-8890508.

Ampitampitao dia tongava maro