You are here

Vita soa ny asaramanitra teto Roma

Nampidirin'i superadmin ny Sat, 26/06/2010 - 22:44

Tontosa tsara ny fankalazana ny faha-50 taona nahazoana ny Fahaleovantena teto Roma.

Na teo aza ny tsy fitovian-kevitra teo am-pikarakarana azy, na nisy aza ireo ahiahy ny mety ho fizotran'ny fety, na teo aza ny oran'andro nijojo tamin'ny fotoana indrindra nanombohana ny fotoana -  indrindra nony nohiraina ny "Zanahary ô, tahio ny tanindrazanay" tamin'ny famaranana ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana - dia nizotra an-tsakany sy an-davany tanatin'ny fifaliana tanteraka iny takariva iny.

Tsy hay ny tsy hisaotra ny ankolafy rehetra eto Roma niara-nisalahy ka nahatomombana izany. Nahafinaritra ny nahita azy ireo niaraka foana hatrany, eny fa na hatramin'ny fampisehoana ny vako-drazana malagasy sy tamin'ny fandidiana ny mofomamy aza : tao ny tompon'andraikitra ao amin'ny masoivohom-pirenena malagasy eto Roma, tao ireo Fikambanana mijoro dia ny Fraternità malgascia, ny Tetezana Onlus ary ny Zanak'i Gasikara, tao ny fiangonana protestanta ary tao koa ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo. 

Ankoatra azy ireo dia maro koa ny nanome tanàna teo amin'ny fikarakarana ny sakafo, ny fampitaovana, sns tsy voatanisa sao misy hadino.

Ary ny tena nahafaly dia ny fahatongavan'ny Malagasy sy vahiny maro nifanotrona tamin'izao andro lehibe izao. Ireo avy tany amin'ny faritany (Parma, Bologna, Ancona, Fiuggi, sns). Ireo Fikambanana vahiny miasa sy manao asa soa any Madagasikara, ireo teratany Malagasy sendra mandalo eto Roma.

Misaotra sy mankasitraka ny rehetra rehetra.