You are here

Vita ary efa azo alaina ireo pasipaoro vaovao.

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 13/03/2012 - 13:07

ny Masoivohompirenen'i Madagasikara eto Roma dia faly mampahafantatra fa
tonga ary efa azo alaina ireo pasipaoro vaovao na nohavaozina tamin'ny
volana janoary teo iny, ka toa izao ny fandaminana :

- ny sabotsy 24 MARTSA, ny alahady 25 MARTSA ary ny alakamisy 5 APRILY ihany andro hakana azy

- TSY MAINTSY NY TOMPONY no tonga maka ny pasipaoro vaovao fa tsy ekena
ny fanomezam-pahefana afa-tsy ny an'ireo zaza latsaky ny 16 taona

- ilaina ny TARATASY FANAMARINANA  (pièce d'identité) an'izay olona haka ny pasipaoro, miaraka amin'ny ROSIA nandoavana ny vola

- ireo zay manana ny pasipaoro teo aloha dia iangaviana hamerina izany amin'io andro io.

Ny ora handraisana amin'ireo andro rehetra ireo dia amin'ny 9 ora maraina hatramin'ny 4 ora hariva.

 

 

Fampandrenesana